amin'ny politika ny Antoko HVM tarihin'ny Filoha Mpanorina azy dia ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Tontosa ny faran'ny herinandro teo ny kongresim-paritany notanterahina teto Antananarivo, niarahan'ny mpikambana ao amin’ny faritany niaraka tamin’ny Birao Politika Nasionaly, ka namoaka fanambaràna sy hevitra lehibe ho fanamafisana manodidina ny sehatra politika sy sosialy. Nampahatsiahy fa ny fitondrana fanavaozana izay nahazo fahefana avy amin’ny vahoaka tamin’ny hetsiky ny tanora sy ny olom-pirenena ny 25 Septambra 2025, dia mitantana ny Repoblika mandra-pahatongan’ny fifidianana, ary ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana dia nanamafy izany fahefana izany. Ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) dia nanambara fanohanana mazava ny fotokevitra ijoroan’ity fitondrana fanavaozana ity, ka nametraka ireto lafiny manaraka ireto: "Etat de droit" na tany tan-dalàna i Madagasikara, misy mpitondra fanjakana, ka manohana ny fikatsahana sy fitandrovana ny maha-firenena sy ny tany tan-dalàna ny HVM, ary manosika ny fitondrana hikatsaka hatrany ny fikarakarana sosialy sy fanandratana ara-toekarena. Mitandro ny maha-iray tsy mivaky ny Malagasy rehetra, na eto an-toerana na any ivelany. Mikasika ny raharaham-pifidianana, nanipika ny HVM fa ny fandaminana ny lalàm-pifidianana fototra no ahafahana miroso amin’ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra. Handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ny HVM. Manohana ny fotokevitra hilatsahan’ny rehetra tsy ankanavaka, raha mbola Malagasy tsy nanary ny zo-pirenena. Nahitsy kosa ity antoko ity nilaza fa misy fanadiovana politika mila atao. Tsy manaiky ny “tsy maty manota”, satria ny politika dia tsy tokony ho fialokalofan’izany. Ilaina, hoy ny HVM, ny fanadiovana politika amin’ny alalan’ny lalànan’ny antoko sy ny rafitra tsy miankina, mba tsy hamerina krizy noho ny fivadibadian’ny palitao. Tokony ho olona atolotry ny antoko politika no hilatsaka amin’ny fifidianana rehetra. Foanana ny filatsahana amin’ny anaran’ny tsy miankina (indépendant). Mikasika ny soatoavina sy fandaminana anatiny kosa, tsy manavaka ara-poko, ara-pivavahana na ara-piaviàna ny HVM. Vonona hiara-miasa amin’ny vondrona hafa raha ho amin’ny lalana fampandrosoana sy fitandrovana ny maha-izy azy ny tsirairay. Efa miroso amin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny fomba fiasan’ny antoko. Manome lanja ny maha-olona sy ny asa mahatonga ny tanora ho tafiditra amin’ny sehatra ara-toekarena. Mamporisika ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny raharaham-pirenena rehetra (Egalité des genres).Tokony hivelatra bebe kokoa ny sehatra ara-toekarena, indrindra ho an’ireo mpandraharaha eto an-toerana, hoy hatrany HVM.
Toky R