Naneho ny heviny mikasika izao zava-misy eto amin'ny tany sy ny firenena izao ny antoko politika Isika Mpandresy tarihin'ny filoha nasionaliny Razafimandimby Rija Ethel. Nambarany fa paikadin'ny fihenjanana entina handrangitaka ny vahoaka izao mitranga izao mba hanaporofoana amin'ireto farany fa tsy mahafehy sy tsy mahavita na inona na inona ny Fitondram-panjakana. Efa tena miezaka anefa ny Fitondram-panjakana hoy Razafimandimby Rija Ethel mba hifehezana izany ary mbola hanaovany antso avo ihany mba handray fepetra hentitra. Notsiahiviny moa fa misy manana sy mahazo tombontsoa manokana amin'izao fanakorontanana izao eto amintsika. Na izany aza dia mino sy manantena ny antoko politika Isika Mpandresy fa ho tratra sy ho fantatra tsy ho ela izy ireny. Tsiahivina moa fa efa miparitaka manerana ny Nosy ity antoko politika iray ity. Ankoatra ny asa fanasoavam-bahoaka dia miezaka manampy ny Fitondrana Fanavaozana koa izy ireo maka ny hevitra ny eny ifotony ho entina sy haravona mandritra ny fikaonandoham-pirenena.
Pati
Légende : Razafimandimby Rija Ethel, Filohan'ny antoko politika Isika Mpandresy !