Tonga nanao sonia ny fifanarahana politika anatin’ny SIAP (Sehatra Iarahan’ny Antoko Politika) ny Antoko Ny Fireneko tarihin’i Paul Rabary, niaraka tamin’ireo olom-boafidy sy solontena manerana ny Nosy, omaly tetsy Faravohitra, toeram-ponenan’ny Amiraly Didier Ratsiraka efa nodimandry. « Miray hina amin’ny antoko rehetra amin’ny fitadiavana vahaolana ho an’ny Firenena, manohana ny fanavaozana an’i Madagasikara, ary vonona handray anjara feno amin’ny fikaonandoha isaky ny Faritra sy ny fikaonandoham-pirenena ny Antoko ny Fireneko», hoy i Paul Rabary. Nilaza izy fa tsy misy resaka tambiny amin’ny fanohanana ny fanavaozana, fa fitadiavana vahaolana. Ny tambiny dia ny fiarahan’ny rehetra, henoina ny hevitry ny rehetra, ary i Madagasikara iray manontolo no mandray anjara. Naneho ihany koa fa tsy mitady toerana ao anatin’ny governemanta ny Antoko ny Fireneko, fa kosa handray andraikitra amin’ny fikaonandoham-pirenena satria manana hevitra fanatsarana ny Firenena. Paul Rabary nanamarika fa ny dingana sy fifanarahana anatin’ny SIAP dia nisy adihevitra sy fikaonandoha politika, niaraka ny rehetra, ary tsy mbola nisy dingana na « processus » tahaka izany teto Madagasikara hoe miaraka mamoaka zavatra iray ny rehetra, hoy izy. « Raha tsy mifampiresaka ny samy Malagasy dia tsy tafavoaka ny Firenena. », hoy hatrany i Paul Rabary. Aminy, ny rafitra eto Madagasikara izay manome fahefana feno ny Filoham-pirenena sy ny Fanjakan’olon-tokana no tena olana. Noho izany, ny Antoko ny Fireneko dia hanolotra lalàmpanorenana faritany mizaka tena na faritra miaka tena, atao amin’ny « régime parlementaire». Nomarihiny fa tamin’ny andron’ny Pr Zafy Albert nisy krizy, saingy tsy mafy tahaka izao. Naneho kosa Rasaminirina Marcellin, ben’ny tanànan’i Tatatamarina Sakay lany tamin’ny anaran’ny Ny Fireneko fa « ny marina no tadiavina fa tsy ny hisian’ny petatoko intsony, ka tsy tokony hiverina intsony ny krizy, fa hanorina ifotony ny Firenena. Ny famolavolana lalàmpanorenana dia tsy maintsy miainga avy any ifotony, mba hahafahana mitondra an’i Madagasikara tsy hiverimberenan’ny krizy intsony, fa ho lovain’ny taranaka mifandimby ».
Toky R