airtel

Politique

30-avril-2026

ANTOKO PDS

Handroso làlam-panorenana

Sample post image

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

30-avril-2026

Vonona amin'ny fikaonan-doham-pirenena entina hitadiavam-bahaolana hitondrana ny Firenena Malagasy ny antoko PSD misy an-dRtoa Eliana Bezaza. Izy no mpandrindra nasionaly ny hetsika Federalista raha tsiahivina izay hentitra nanazava omaly fa aza sakanana tsy hahita fiadanana ny Malagasy. Raha mbola ny rafitra sy ny lalam-panorenana ankehitriny foana mantsy no iainana hoy izy dia hihafara eny amin'ny kianjan' ny 13 May amin'ny alalan'ny fitakiana foana ny tantara. Ankoatra izay dia nitondra fanazavana koa ny tenany fa lasa fialokalofan'ny dahalo ny fivangongoan'ny fahefana anaty fanjakana, izay rafitra hiainantsika ankehitriny ka lasa tsy misitraka ireo harena ao amin'ny faritra misy azy ny vahoaka. Ho an'ireo Faritra manana otrikarena indray dia voatery miandry fana-pahan-kevitra any amin'ny foibe vao afaka miroso amin'ny vahaolana eny ifotony izay tena fiainan'ny vahoaka maro an'isa. Tsy marina hoy izy ny filazana fa hiteraka adim-poko eto Madagasikara ny rafitra federaly. Maro ny soa ho azon'ny faritra sy faritany tsirairay, amin'ny fitantanany ireo harena ao aminy raha izany no tanteraka soa aman-tsara hoy hatrany Rtoa Eliana Bezaza. Marihona moa fa ny Antoko PSD izay tarihiny dia efa manana lalam-panorenana federalista aroso amin'ny fikaonandoham-pirenena hotanterahina eto amin'ny tany sy ny Firenena.
Pati
Légende : Rtoa Eliana Bezaza, tompon'andraikitra voalohany eo anivon'ny antoko PSD !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap