airtel

Politique

30-avril-2026

Julien Andriamorasata

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

Sample post image

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

30-avril-2026

Iankinan’ny fiainam-pirenena ny fanabeazana politika sy maha olompirenena, hoy ny manam-pahaizana momba ny fitantanan-draharaham-panjakàna sady mpikamban’ny antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM, Julien Andriamorasata. Tokony hiofana amin’ny politika ny tanora, izay hoavin’ny firenena, hoy izy! Tokony handray fanabeazana maha olompirenena koa ny mpanao politika satria ny olompirenena no fototry ny fampandrosoam-pirenena. Fotokevi-dehibe amin’ny fiainan’ny TIM amin’izao, ohatra, ny fanohanana izao fitondràna izao. Zotra politikany izay saingy miara-dalana amin’izay dia tsy maintsy manao fanamarihana izy raha mahita tsy mety mba hanatsaràna ny toe-draharaha. Nandray anjara tamin’ny tolona nametrahana izao fitondràna izao ny TIM. Manana andraikitra hanohana izao fitondràna izao izany ny TIM saingy tsy maintsy miteny kosa rehefa misy tsy mety ho fanatsaràna. Isan’ny andraikitry ny mpanao politika sy fiarahamonim-pirenena ny manabe olompirenena. Tsy maintsy misy ny balizy, ny fitsaràna, ny fitsikeràna, ny fanaraha-maso. Tsy olona no enjehina fa anjaran’ny fitsaràna no manenjika olona. Samy tokony hanana fitsipi-pitondràn-tena na deontolojia politika daholo na olompirenena na mpanao politika. Tsy resahiko ny etika politika fa mbola resaka soatoavina lavabe iny. Deontolojia politika no resahina ary hamerenana hoe tokony hisy mihitsy ny fanabeazana politika. Any amin’ny firenena mandroso tena irariana hanao politika ny olompirenena. Io no fomba iray andraisana anjara amin’ny fitantanana firenena. Ny olana eto amintsika eto dia ny tsy fananana loatra fangaraharahana ara-politika. Misy mpanao politika, ny tongony iray ao amin’ny antoko politika misy azy fa ny tongony iray efa ao amin’izay fitondràna mijoro eo na dia tsy mifanaraka amin’ny fotokevitr’ilay antokony aza. Rehefa tsy mety aminao intsony ny mijanona ao amin’ny antoko iray dia tokony mametra-pialàna ianao ary milaza ny antony amin’ny mpanao gazety mihitsy. Ny antoko politika hafa handray an’iny olona iny koa tokony hanadihady tsara hoe efa nametra-pialàna tao amin’ilay antoko nisy azy taloha ve ilay olona? Izany no atao hoe fangaraharahana politika na «transparence politique». Mila ilazàna ny marina koa ny vahoaka, hoy hatrany ity andrin’ny antoko TIM ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap