airtel

Politique

30-avril-2026

Fanenjehana

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

Sample post image

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

30-avril-2026

Ny Raharaha maro no hanenjehana an’i Andry Rajoelina toy ny : fanodinkodinam-bola maro, fanaparam-pahefana maro tamin’ny fitantanana volam-panjakana,… olana anefa dia voafaritry ny andininy 131-134 amin’ny lalàmpanorenana fa ny HCJ (Haute Cour de Justice) no ahafahana manenjika ny Filoha, ka na tsy tianay aza, na tsy tiantsika aza izay dia tsy maintsy manaraka io lalàna io isika », hoy ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo omaly. Misy vola miafina any ivelany, ka raha tiana ny hanao ny fanenjehana any, dia arahin’ny vahiny ny dingana rehetra araka ny lalàna nataon’i Madagasikara. Tsy afaka manao tsirambina, ka tsy maintsy nampiana tamin’ny alalan’ireo mpahay lalàna ny Gen Z nanoratra ny fitoriana, nanampy azy ireo nametraka fitoriana teny amin’ny HCC. Nisy fitoriana napetraka teny amin’ny Antenimierampirenena, saingy ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo dia tsy nisy afatsy PGE sy resaka sora-piankohonana. Tokony handeha amin’ny fivoriana ara-potoanan’ny antenimiera amin’io volana mey io noho izany ny « mise en accusation » an’i Andry Rajoelina. Rehefa mandeha io dia tsy misy antony intsony tokony tsy hahafahana manenjika an’i Andry Rajoelina sy manao ireo dingana ara-pitsarana : fisavana, fanagiazana, fangejana kaonty, fanarahana ireo afera ara-bola, didy fampisamborana iraisam-pirenena,… Ny famindrana azy higadra eto Madagasikara na « extradition » kosa, dia aorian’ny didy raikitra, izay iarahana miasa amin’ny Firenena izay misy azy. Milaza i Fanirisoa Ernaivo fa efa mipetrapetraka daholo ny fiaraha-miasa amin’ireo Firenena Eoropeanina sy Afrikanina ary Amerikanina sy Anglisy hahafahana manao fiaraha-miasa ara-pitsarana iraisam-pirenena. Ny Fitsarana tsy hoe samborina dia tsaraina dia mivoaka ny sazy, fa mbola misy fanadihadiana, fanangonana porofo, fihainoana ny voapanga, fiarovan-tenany,… Ny mikasika ny depiote Marie Michelle ohatra, dia misy raharaha maromaro. Ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian dia eny amin’ny Fitsarana mpanao famotorana, ary efa eny amin’ny Bianco ihany koa ny fitoriana mikasika ny volamena nivadika vy, ny sidina tsy nahazoana alalana ankoatra ny zavatra hafa mety hitoriana azy. Noho izany, ho an’ireo izay manana porofo mikasika ny mety zavatra na heloka nataony teto amin’ny Firenena, dia afaka manaraka ny Fitsarana. « Ny mahamaika tsy manameloka fotsiny fa ny manameloka miaraka amin’ny famerenana ny volam-panjakana nahodinkodina », hoy hatrany Rtoa Fanirisoa Ernaivo.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap