airtel

Politique

12-juin-2026

Antoko politika Fanare

«Ny olona mahay no tokony

Sample post image

hibaiko ny tsy mahay eto amin’ny firenena!»

12-juin-2026

Mivoy ny rafitra mpanjaka moa ny antoko politika Fanare, hoy ny filohany, Andrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis. Nisy izany fitsinjaràm-pahefàna na faritany mizaka tena sy ny tariny rehetra izany ve faha mpanjaka, hoy izy? Nampandroso firenena ve ny federalisma, faritany mizaka tena, karazan-drafitra rehetra io? Tsy rafitra fa olona mahay mitantana rafitra no mampandroso firenena. Nandroso Imerina tamin’ny andron’Andrianampoinimerina satria navela nandroso ny famokarana rehetra. Iza no namorona ny tsena? Andrianampoinimerina no namorona izany. Napetrany ny atao hoe vaditany. Samy nitantana ny faritany nisy azy avy. Nandroso ny tany. Taty aoriana moa tonga ny fanjanahantany dia be ny kolikoly. Ny miaramila lasa nisy an’izany hoe «Aide de camp» na «Dekà» izany. Manamboninahitra iray amin’izany manana mpiasa karazany maro. Tratry ny kolikoly koa ny fitondràna andriamanjaka fa tsy toy izany. Ny repoblika koa tsy afa-miala amin’izany. Tamin’ny andron’ny filoha Tsiranana sy Ratsiraka, samy mpitondra avy ivelan’Antananarivo ireo. Tamin’izany no nivoy ny fitsinjaram-pahefàna sy faritàny mizaka tena. Nandroso ve ny firenena? Nahavita zavatra sy nandroso ve ny faritra rehetra? Hoy ny Pasitera Ravelojaona tamin’ny fotoan’andro hoe raha tsy nosakanan’ny mpanjanantany ny fanjakàn’i Madagasikara izay notantanan’ny mpanjaka merina dia efa nilahatra tamin’ny fanjakàna japoney. Be dia be ny zavatra nampianarina tamin’ny andron’i Jean Laborde tsinona dia nahay zavatra be dia be ny merina. Merina daholo no miaramila tamin’ny andron-dRadama. Nandroso ny tany. Firy ankehitriny ny hopitaly natsangan’ny avy any amin’ny faritra? Firy ny sekoly natsanganareo any aminareo? Rehefa nampivory ny zanak’i Merina teto ny fikambanana terak’Imerina dia nanao fikaonandoha tao amin’ny kolejy ESCA Antanimena ny taona 1993. Lohahevitra tamin’izany ny hoe «Ny merina sy ny fampandrosoana ny faritra misy azy avy». 33 taona lasa izay ka manainga ireo fikambanana terak’Imerina rehetra ankehitriny hilaza hoe firy ny hopitaly natsanganareo tao Mahajanga? Firy ny sekoly momba ny informatika? Izay mahavita vokatra avy amin’ny informatika tsinona izao no tena hoe mahefa. Ireny voangorivy na «drone» ireny dia vokatry ny informatika. Isany ireny ampiasaina any Iran sy Israely ireny fa tsy ny fanananao omby na ny fanananao mpanompo sy maha mpanjaka anao no nampisy an’ireny. Nilaza ny depiote Siteny sy Afakandro teo imason’ny filoha Michael hoe ny merina eto Antananarivo no manakana ny fanavaozana. Firy ary ny sekoly natsangan’ny depiote Siteny any Toliara? Firy ny natsangana any Fianarantsoa ho an’izay avy any? Tsy nisy fitsinjaràm-pahefàna tamin’ny andron’ny filoha Tsiranana sy Ratsiraka ary ny fifandanjàna isam-paritra na hoe «équilibre régional», inona moa no tokony hiresahana izany, raha toa ka merina no maro an’isa eto? Merina indray nefa no vitsy ao amin’ny tafika toy ny miaramila sy zandary. Ny atao hoe fahefàna dia tsy ny fahafahana mibaiko atsy sy aroa fa ireo mpiasan’ny minisitera isan-karazany ireo no tena fahefàna. Ny minisitra manao sonia fotsiny fa na ny naoty ho an’ny minisitra aza dia ny «chargé d’étude» na ireo manam-pahaizana manokana samihafa no manao ny asa. Ireny no atao hoe mahefa. Be dia be izao ny ben’ny tanàna migadra any amin’ny faritra mitaky izany faritany mizaka tena izany. Mahay mitantana ve izany izy ireny sa nihinam-bola. Firy moa no manana Bakalorea nefa mibaiko olona manana fahaizana ambonin’izay eto amin’ity firenena ity ka aiza no handroso ny firenena? Ny olona mahay no tokony hibaiko ny tsy mahay eto amin’ny firenena fa tsy ny mifamadika amin’izay, hoy hatrany ny antoko politika Fanare!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

12-juin-2026

eto raha te ho firenena vanona isika!»

Card image cap
11-juin-2026

Raha samy maneho ny fiheverany

Card image cap
11-juin-2026

tadin-dokanga momba ny fikaonandoham-pirenena! »

Card image cap