Tsy mpanohitra intsony ny Antoko Politika Madio na ny APM tarihin-dRakotoarisoa Alban manomboka izao fa miaraka amin'ny Fitondram-panjakana ary misokatra amin'ny fiaraha-miasa rehetra ao anatin'ilay teny filamatra manao hoe : Ny vahoaka aloha. Tsy hanaiky lembenana aminy gaboraraka intsony ihany koa ny antoko, antony tsy niarahany niasa tamin'ny Fitondrana téo aloha no sady ho héntitra sy vonon-kijoro amin'ny mangaraharaha sy ny fahamarinana ho tombontsoam-pirenena. Tontosa omaly Alakamisy 08 Janoary tetsy amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ny famindram-pitantanana téo amin-dRakotoarisoa Alban sy ireo mpikambana ao aminy miisa 4 mianadahy. Famindrana iombonana izay nambarany fa kihon-dalana lehibe ho an'ny APM hanamafisana ny firaisankinany, hanomanana ny ho avy am-pitoniana ary hanohizana ny Fitondrana avo ny soatoavina sy ny vinan'ny antoko. Hamerina ny herin'ireo rantsa-mangaikany any amin'ny Faritra, mba hanamafisana ny fipetraky ny antoko sy ny asany isaky ny faritany ny APM. Hanomana dieny izao ireo kandida eny ifotony sy eo amin'ny sehatra nasionaly izay afaka misolo tena ny APM amin'ireo fifidianana ho avy, na akaiky na ny lavitra. Farany izay tsy kely akory dia hikarakara kongresy Nasionaly ny antoko. Tanjony ny hànavao ireo sata fototra sy hifidy ny Birao mpitantana vaovao.
Pati
Légende : Nandritra ny famindram-pitantanana notanterahina omaly !