Fanovàna ifotony no tadiavina eto amin’ny firenena izao, hoy ny antoko politika Natiora. Mitady izay hany azony ifaharana eto Afrika ankehitriny i Frantsa, hoy ny filohan’ity antoko politika ity, Mihari-Ni-Rencho. Manomboka miala aminy ny firenena afrikanina. Frantsa no tompo-kevitry ny fivoriana an-tampony natao tao Kenya. Ireo mpisolelaka amin’ny frantsay no tena namonjy io fivoriana an-tampony io. Mitady tombontsoa eto Afrika i Frantsa dia ny filohan’ilay firenena afrikanina no asainy mamitaka ny vahoakany. Vao miantso ny frantsay dia mihazakazaka ireo, eny, fa na ireo filoham-pirenena teo aloha aza. Hita taratra izao fa tsy vonona hiala amin’ny fanandevozana sy fanjakazakàn’ny frantsay isika. Vao miantso ny frantsay dia mihazakazaka mafy mihitsy mankany. Nofinofy hatreto ny fialàna amin’ny frantsay. Mijery an’io ny rosianina dia tsy hatoky loatra ilay fitondràna satria sady main’ny atsy, main’ny aroa. Fanaovana tsinontsinona ny vahoaka nitolona ny fifidianana arangaranga amin’ny 2027 satria amin’ny resaka fikaonandoham-pirenena tsy hita mazava hatreto ny daty mazava momba azy. Maninona ny fitondràm-panjakàna tsy mamoaka ny daty mazava hanaovana fikaonandoham-pirenena fa daty hanaovana fifidianana? Miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena nefa izany fifidianana izany. Tsy adala ny Ntaolo niteny hoe aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka. Tsy nisy niala maina izay mpitondra nanao fahatany teto amin’ny firenena. Fifidianana lalàmpanorenana no tokony atao fa tsy fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana. Fikaonandoham-pirenena koa no natao hilaza hoe ilaina ve ny CENI na ny HCC? Raha izao nefa dia mbola ilay CENI sy HCC nanao fahotàna mahafaty tamin’ny resaka fifidianana teo ihany izany no hitantana eo. Andriamanjaka ny vahoaka ka tsy azo fitahina, hoy hatrany ny antoko!
J. Mirija
Nesorina ny zo fiarovana ara-parlemanta na ny