airtel

Politique

16-oct-2025

Antoko politika Natiora

«Raha ny fianakaviambe

Sample post image

iraisampirenena no andrasana

16-oct-2025

dia olony foana no apetrany eo»
Ity vao tena tolom-bahoaka, hoy ny antoko politika Natiora, satria ny vahoaka mihitsy no mitaky ny fialàn’i Rajoelina. Tsy misy izay tsy mahalala izany angamba izao tontolo izao, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho. Tapitra, hoy izy, ny repoblika fahaefatra. Miditra any amin’ny repoblika fahadimy. Gaga aho. Ny fahamarinan-toerana na «légitimité» an’ny rafitra rehetra dia tokony ho foana, tsy manan-kery intsony, dia mbola mijoro ihany ny antenimieram-pirenena hoe nofoanana ny HCC, ny CENI, ny HCDDED sy ny rehetra fa mahagaga hoe mbola mijanona ny antenimierampirenena. Tokony efa foana tanteraka ireo raha ny tena izy. Ny rafitra rehetra tamin’ny repoblika fahaefatra no tokony foana daholo! Fitakiana fanovàna rafitra no ataon’ny vahoaka. Mila foanana koa no dikan’izany na ny zandarimaria aza satria rafitra napetraky ny frantsay. Efa notakian’ny depiote ilay hoe fitsipaham-pitokisana ny filoham-pirenena mba tsy hananana olana amin’ny fianakaviambe iraisampirenena. Mitaky fanovàna rafitra isika, fanovàna mahery vaika. Raha ny fianakaviambe iraisampirenena no andrasana dia tsy maintsy ny olony foana no apetrany eo. Tsy tokony hisy fofompofona Ravatomanga sy Rajoelina intsony ny governemanta hitsangana eo. Ny tokony hihazakazahan’ny governemanta hitsangana eo dia ny resaka filàna an-davan’andro na PPN aloha. Vahaolana avy aty amin’ny antoko Natiora ny hoe atao tolotra sy tinady ny entana miditra eto ka izay manome vidiny ambany indrindra no omena alalana na «agreement» afaka manafatra PPN. Tokony averina haingana ny FER na «Fond d’entretien routier», izany hoe, famatsiam-bola ny fanamboaran-dalana mba hanamboarana ny lalana, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap