airtel

Politique

29-juin-2026

Antoko politika Natiora

«Tena misy fanantenana ny

Sample post image

handrosoan’i Madagasikara!»

29-juin-2026

Tena misy fanantenana ny handrosoan’i Madagasikara, hoy ny antoko politika Natiora! Miankina amina mpitondra manana fahavononana sy fanetren-tena nefa io, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho. Hananantsika daholo, hoy izy, ny zavatra azo hampandrosoana an’i Madagasikara. Raha mbola 30 tapitrisa izany isika dia mbola malalaka be ny tany. Mbola ampy antsika tsara ny sakafo eto na mihidy aza ny sisintany. Ahafahantsika mampandroso izao firenena izao ny harenantsika rehetra ary manana manam-pahaizana betsaka isika. Mila mandray andraikitra manao ny adidiny aloha ny malagasy tsirairay avy. Tafiditra anatin’izany ny mpitondra. Tokony ahena, ohatra, ny karaman’ny solombavambahoaka. Ahena ny tombontsoa raisiny. Toy izany koa ny minisitra. Lasa manaotao foana mihitsy ny olona sasany ahazoana toerana eto noho ny tombontsoa be. Mila fanetren-tena sy mpitantana efa vonona hitondra fa tsy tongatonga tsy nahy, hoy hatrany ny antoko politika Natiora nanamafy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

ny asany ny depiote

Card image cap
14-août-2026

misokatra ny mpitondra»

Card image cap
13-août-2026

faritra matoa…»

Card image cap
13-août-2026

politika eto amin’ny firenena.

Card image cap