Mbola tsy fantatra mazava ihany hatramin’izao hoe fitondràna miaramila ve sa hiarahan’ny sivily sy miaramila sa tetezamita manao ahoana ny fomba itantanana ny firenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Natiora? Mbola miverina hatrany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho, ny tsy maty manota. Ny tale jeneralin’ny ACM izao nigadra tamin’ny raharaha Boeing 777 nefa nivoaka izy izao. Betsaka ireo nigadra noho ny resaka halatra sy fanodinkodinam-bolam-panjakàna teto amin’ny firenena fa nivoaka. Nanome vola ve? Izany Koufali Daya izany izao tena tafiditra tamin’ny raharaha volamena. Nigadra tany Tsiafahy. Nivoaka ary tsy vitan’ny hoe nivoaka fa nahazo toerana ho mpitondra ao Iavoloha. Hananan’ny antoko porofo daholo izany. Maninona no mipetraka any amin’izany olona izany ny filoha Michael? Ny resaka Madagascar Airlines, 4 taona nisiana ve ianao dia bankina trosa 100 tapitrisa Dolara? Tsy nisy fanadihadiana na Audit izany fa avelavela fotsiny amin’izao. Ny mpiasa madinika no mizaka ny tsy eran’ny aina manefa. Miandry ny Natiora hoe ravàna daholo ny rafitra rehetra. Taperina ny repoblika faha 4. Ajoro ara-dalàna tsara hoe fitondràna miaramila ve sa iarahan’ny miaramila sy sivily no mitondra izao? Aoka izay ny tsimatimanota! Hatramin’ny 2009 no ho nankaty no tsy nitsahatra ny fanodinkodinam-bolam-panjakàna. Tokony hanaovana fanadihadiana izay lasa mpanankarena nanomboka 2009. Ny fanovàna ifotony no tena andrasana. Fifidianana lalàmpanorenana fa tsy fitsapàn-kevi-bahoaka. Manana vahaolana ny antoko. Vonona hanampy ny fitondràna hitady vola anatin’ny 6 andro izahay! 6 andro dia ho azontsika ny antsoina hoe «reconnaissance financière» na fankatoavana ara-bola. Anatin’izany ny resaka vatsim-pianarana, ny solika ho an’ny JIRAMA, karaman’ny mpampianatra. Milaza hanampy ara-bola antsika ny frantsay nefa ny trosam-panjakàny efa 1000 miliara Euro. Inona no vola hanampiany antsika eo? Ny volantsika ihany no hanajàn’ny frantsay antsika eo. Tsy any amin’ny OIF izany no tokony iandrasana vola hamatsy ny fikaonandoham-pirenena! Tsy ny FFKM no tokony hikarakara fikaonandoham-pirenena fa fiarahamonim-pirenena! Tsy tokony ho afaka hilatsaka intsony izay rehetra efa nitondra! Tsy tokony ho afaka hilatsaka ny manana zom-pirenena miisa 2 no mihoatra! Kandidà atolotry ny antoko politika 10 taona nijoroana fara-faha keliny no tokony ho kandidà, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena