airtel

Politique

10-juin-2026

Antoko politika Otrikafo

«Isan’ny lehibe andrasana ny fandravàna ireo rafitra

Sample post image

tsy mahomby ireo»

10-juin-2026

Isan’ny andrandrain’ny vahoaka malagasy izao ny datin’ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny antoko politika Otrikafo. Niandry isika, hoy ny filohan’izy ireo, Elia Rabevahiny, hoe hanomboka izy ny 3 jona teo saingy nihemotra. Tsara foana, hoy izy, raha asiana fanazavàna mazava tsara ny raharaha toa an’io. Hita hoe tsy ampy ny serasera mikasika ilay fikaonandoham-pirenena, hany ka lasa miteraka adihevitra ilay izy. Misy antony matoa ilay izy nahemotra saingy mila fantatry ny malagasy rehetra izay antony izay. Nomena fahefàna ny FFKM hanao an’ilay izy nefa tato aoriana koa dia nisy ny hoe minisiteran’ny fanavaozana hiaraka hitarika izany aminy. Rariny ny fihemoran’ny fikaonandoham-pirenena satria hiankinan’ny fiainan’ny firenena manontolo io. Tsy mila atao tandrametaka io no dikan’izay. Fantantsika tsara fa isan’ny mampiverimberina ny fikaonandoham-pirenena ny fiverimberenan’ny krizy eto amin’ny firenena. Amin’ity indray mitoraka ity izany raha tena te hamaha olana isika dia tokony hipetraka ny hoe ahoana no tsy hiverimberenan’ny krizy eto amin’ny firenena intsony? Mila ampidirina anaty fikarakaràna, noho izany, ny hery politika sy herivelona rehetra. Zava-dehibe, noho izany, ilay fihemorana ahafahana mihaino mialoha ny herivelona rehetra. Tsy tokony hijanona amin’ny FFKM sy ny minisiteran’ny fanavaozana irery ny fikarakaràna ilay fikaonandoha. Tokony hisy, fara-faha ratsiny, mpanara-maso hafa ivelan’ireo. Tsy iza ireo fa ireo herivelona hafa eto amin’ny firenena. Tokony hanao fanaraha-maso ireo mialoha, mandritra, aorian’ny fikaonandoham-pirenena. Tsy sambany nanao fikaonandoha isika fa ny mampanahy ny rehetra dia hoe tena ilay nandrasana ve no hivoaka ao? Izay no ilàna ilay fisian’ny solontenan’ny rehetra ao anatin’ilay fikarakaràna. Misy zavatra azo atao tsy miandry fikaonandoham-pirenena. Ny tena andrasana amin’ny fikaonandoham-pirenena tsinona dia ny hoe nisy fitakiana teny an-kianja. Nisy ampahany efa tanteraka fa misy mbola tsy tanteraka ihany koa. Misy ny olana efa voavaha fa misy mbola tsy mivaha. Isan’ny lehibe andrasana ny fandravàna ireo rafitra tsy mahomby ireo. Izay no mahatonga ny adihevitra mipetraka hoe hiroso amin’ny tetezamita isika sa tsia? Efa eo ny famahana ny olana ara-tsosialy tahaka ny olan’ny herinaratra sy rano. Tsy azo ampiandrasana fikaonandoham-pirenena ny famahana ireo olana ara-tsosialy. Ny famaritana ny fitantanana firenena aorian’izao no andrasana amin’ny fikaonandoham-pirenena, hoy hatrany Otrikafo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-juin-2026

Mitohy ny toe-javatra kisampontsampona

Card image cap
10-juin-2026

fitsinjaràm-pahefàna Ben’ny tanàna amina

Card image cap
05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozana»

Card image cap