airtel

Politique

22-mai-2025

Antoko politika Otrikafo

«Tsy mihemotra ny fanoherana ny Base Toliara…»

Sample post image

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

22-mai-2025

 Andry Rajoelina tao Ankilimalinika mikasika ny raharaha Base Toliara, hoy ny antoko politika Otrikafo, tamin’iny fidinany farany tany iny raha oharina amin’ny zavatra nolazainy farany. Lasa nitodika bebe kokoa indray amin’ny hoe aleo jerena aloha ny fiantraikany ara-tontolo iainana sy ny tahaka izany raha toa ka hoe tsy maintsy atao no voalaza taloha, hoy ny filohan’ity antoko ity, Elia Rabevahiny. Vokatry ny asa nataon’ny taty amin’ny fanoherana no nisian’izay fiovan-kevitra izay na ny marimarina kokoa fanamboamboarana ny kabarin’ny filoham-pirenena izay, hoy izy. Efa nandray vodiondrim-barotra nefa izy ka noho izany hitady ny fomba rehetra hampandehanana an’io. Manamafy koa izahay fa tsy hiova hatramin’ny farany amin’ny fanoherana an’io tetikasa io. Iny angamba, raha nahita isika, no fivoahan’ny filoham-pirenena mafy indrindra ny fepetra noraisina mikasika ny fiarovana ny filoha. Niodidina ny 800 isa ny mpitandro filaminana nahetsika. Feno Sniper ny tanàna. Tsy mahazatra loatra ny mahita izany na an-drenivohitra aza. Fantatry ny fitondràm-panjakàna tsara no dikan’izany fa tena tsy mihemotra ihany koa ny fanoherana an’io tetikasa io. Hisy indray ato ho ato fanehoan-kery ngezabe entina anehoana fa tsy miova hevitra ny mpanohitra. Mijanona izahay rehefa miala ao amin’ny faritra Atsimo andrefana ny tetikasa Base Toliara. Taorian’ny fandalovan’ny filoha Andry Rajoelina tany dia fantatry ry zareo tsara ny fahavononan’ireo mponina hanohitra an’io tetikasa io. Azo lazaina hoe tombony ho an’ny fanoherana ny tetikasa ny tsy fahombiazan’ny dian’ny mpitondra tany saingy na izany aza dia tsy afaka ho mandrimandry manana aretina satria ny fitondràm-panjakàna malagasy, ny orinasa Base Toliara, ny ambasadin’i Etazonia eto amintsika dia tsy maintsy hanao ny fomba hampandehanana an’io. Misy mpitondra fivavahana misoko mangiana tsy maintsy itandremana tsara koa ao ambadika ao satria ny Justice et paix dia tena manao ny fomba rehetra haneken’ny mponina ilay tetikasa amin’ny alalan’ny tetikasa Taratra. Tsy maintsy hamafisina, noho izany, ny fanoherana io tetikasa tsy hitondra tombontsoa ho antsika rehetra io, hoy hatrany ny antoko politika Otrikafo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap
11-juin-2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

Card image cap
11-juin-2025

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
11-juin-2025

Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,

Card image cap