airtel

Politique

21-août-2023

Politique

Antoko politika RPSD “Tokony horavana mihitsy ny governemanta”

Sample post image

Tokony alamina ny pitsopitsony rehetra ahafahana miatrika fifidianana, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika RPSD ny sabotsy teo,

21-août-2023

fa tokony hajaina kosa ny lalàmpanorenana. Alamino ny lalàm-pifidianana, hoy ny filohan’izy ireo, Andriatsizehena Urbain. Tokony ravana mihitsy ny governemanta! Tokony miova ny governemanta mitantana fifidianana. Miantso fivoriana tsy ara-potoana 12 andro eny amin’ny antenimieram-pirenena dia efa vita izany lalàm-pifidianana izany. Tokony hifandefitra ny mpitondra sy mpanohitra. Andininy vitsy ao anaty lalàm-pifidianana no tokony kitihina satria izay no mety hampiady. Fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra no tanjona. Tsy te handefitra ny fitondram-panjakana nefa tokony hifanaraka ny samy malagasy dia miravina ny olana fa tsy ilana fianakaviambe iraisampirenena. Lesoka be amin’ny fitantanana firenena io resaka zom-pirenen’ny filoham-pirenena io. Mpikamban’ny kaongresin’ny tetezamita tamin’ny fotoan’andro ny tena. Raha fantatray hoe nanao izany ny filohan’ny repoblika tamin’ny tetezamita dia nosakananay. Mikasika ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika moa dia miharihary izao fa isan’ny lesoka amin’ny fitondrana ity ny tsy firaharahiana mpanao politika. Olona mahafehy politika, afaka miresaka amin’ny antoko politika sy andrim-panjakana rehetra izany talen’ny kabinetra izany, hoy hatrany ny RPSD.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap