airtel

Politique

03-févr-2025

Antoko politika, sendika,

fiarahamonim-pirenena

Sample post image

Nosakanana tamin’ny basy mba tsy tsy ho afa-nivory indray !

03-févr-2025

Tsy ny fidinana an-dalambe intsony ankehitriny no asain’izao fitondràna izao idinan’ny mpitandro filaminana ho sakanana na hoe fivoriana eo amina tokontany manokana fa hatrany amina hotely na toerana mitafo mihitsy. Taorian’ny fikasàn’ireo vondron’olompirenena samihafa avy amin’ny antoko sy vondrona politika, sendika, fiarahamonim-pirenena, fikambanana samihafa hivory tetsy amin’ny Arupe Faravohitra, izay tsy nekena tamin’ny ora farany sy ny naha voasakana azy ireo hanatontosa izany tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina dia mbola nosakanan’ny mpitandro filaminana tsy hiditra ny Motel Anosy koa ny sabotsy teo ireto vondron’olompirenena samihafa nampahafantatra mialoha fa hikaon-doha hitadiavana vahaolana ho an’ny firenena ireto. Tena efa safotry ny vahaolana ve izany izao fitondràna izao ary efa tena diso mivaha loatra mihitsy aza ny olan’ilay firenena no dia horohoroina mpitandro filaminana hatramin’ny olona milaza hoe hitondra vahaolana? Efa tena mandroso be ve izany no fahitàn’ny fitondràna ankehitriny izao firenena izao ka tsy mahagaga ihany koa raha ny hamaha ny olana misy any Rwanda sy RDC aloha no maha maika ny filoham-pirenen’ity firenena voalaza ho mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ity? Madagasikara tsy maintsy mandroso no hirahiraina fa hatramin’ny fivoriana milaza hitondra vahaolana aza sakanana izany aloha, raha ny hita hatreto.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

18-févr-2026

nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny Birao maharitry

Card image cap
18-févr-2026

Betsaka noho ny miaramila Rosianina

Card image cap
17-févr-2026

Nitsefotra ny fikasana hitarika olona

Card image cap
17-févr-2026

tsy miorina amin'ny fahamarinana"

Card image cap