Atoa René Fulgence Tovondrainy indray no Filoha vaovaon'ny antoko politika TAMAMI na ny Tanora Malagasy Miroso manomboka izao. Tontosa ny faran'ny herinandro teo ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Filohan'ny antoko teo aloha Atoa Samihary Floriot natrehin'ireo mpikambana marobe. Nisaotra ny filoha teo aloha noho izany ny filoha vaovao ary mampanantena fa hanao ny tsara kokoa hatrany ho lovan'ny taranaka. Asa maika hotanterahin'izy ireo ato ho ato ohatra ny fitsidiham-paritra hanaparitahana ilay toe-tsaina ho enti-mandroso. Azo hatao tsara ny mandroso sy manatsara ny fototra hiorenana hoy ny Filohan'ny antoko TAMAMI. Tsy hiandrasana na iza na iza izany hoy izy fa miainga amin'ny fahavononan'ny tsirairay avy. Farany izay tsy kely akory dia nomarihiny fa tsy tokony hatao sorona amin'ny resa-politika ny tanora. Hihetsika ny antoko manomboka izao ka vonona handray anjara mavitrika amin'ny fampandrosoana ny Firenena. Misokatra ho an'ny mpiray tanindrazana rehetra ihany koa ny antoko.
Pati
Légende : Nandritra ny famindram-pahefana notanterahina ny faran'ny herinandro teo !
Nesorina ny zo fiarovana ara-parlemanta na ny