airtel

Politique

14-nov-2024

ARFM

«Efa mihorohoro izy matoa mampatahotra!»

Sample post image

Tsy nangina akory ny ARFM na Antenimieran’ny raiamandreny foko malagasy, hoy ny filohany,

14-nov-2024

Noel Rakotondrasoa, fa niasa mangina nanao ny dingana rehetra ara-diplaomatika tetsy sy teroa, niresaka tsy nijanona tamin’ireo raiamandreny tany amin’ny faritra. Efa voahangona moa izany rehetra izany, hoy izy, dia tonga indray ny fotoana isehoana amin’izao fotoana izao ho fanohizana ny tolona satria na tiantsika na tsia dia tsy maintsy hafahana amin’izao toerana misy azy izao i Madagasikara. Raha tsy vita androany izay, tsy maintsy ho vitaina rahampitso. Tsy nisy ny teritery na dia somary neverina aza hoe mavesabesatra no nitranga. Vao mainka ireny mandrisika anay hanohy ny ezaka rehetra hanavotra ny firenena, indrindra, ny sehatry ny fanabeazana iaraha-mahita amin’izao fotoana izao. Iarahantsika mahita fa famotehana tanteraka an’i Madagasikara iraimanontolo mihitsy no zava-misy. Ny tenin’ny mpitandro ny filaminana dia azy fa ho anay amin’ny maha raiamandreny anay satria izahay eto amin’ny tanindrazanay, eto amin’ny firenenay dia tsy ampitahorina eto amin’ny firenena misy anay izahay! Aleo hampitahotra izay hampitahotra fa izany akory tsy atao sakana tsy hanao na inona na inona. Vao mainka tokony hampatanjaka aza izany satria efa mihorohoro izy matoa mampatahotra! Vao mainka nitombo ny mpikambana ato aminay hatrany amin’ny faritany. Tamin’ny 26 jona izao tany Vangahindrano efa nisy tsy nankasitraka ny fankalazàna an’io daty io noho ny fahafatarana fa rafitra framasonika napetraka teto tamin’iny ary manana porofo ny amin’izany izahay raha hazavaina ara-tsiantifika satria ny 26 jona 1773 no nametrahana ny «Grand Orient framaçonnerie française» tao Frantsa. 26 jona 1945 no nanaovana ny sonian’ny satan’ny ONU tany San Francisco. Maninona no 26 jona daholo. Ny 26 jona 1960 no nametrahana ny «Framaçonnerie malgache» sady nametrahana ny rafitra framasonika «Tunique noir». Iza moa ny Tunique noir raha tsy ny hery natao hamoritra ny malagasy tsy afaka hitroatra mihitsy amin’izao fotoana izao? Ho avela amin’izao ve ny firenena manoloana ilay fahefana satanika ao ambadik’ilay fitondràna misy amin’izao fotoana izao? «Régime macroniste» na fitondrana makronista izao no hitantanana an’i Madagasikara. Manana filoham-pirenena isika saingy filoham-pirenena manana filoham-pirenena. Mety amin’ny firenentsika ve izany? Miha mitombo ihany ny porofo mitohoka amin’ny tendany mikasika izany rehetra izany amin’izao fotoana izao. Maninona no i Madagasikara no hitarika sy SADC? Maninona no mitarika ny COI? Maninona ny kaomorianina no ampidirina anaty filankevitry ny ranomasimbe indianina? Ny dikan’izany dia misy hery lehibe mifehy an’i Madagasikara tsy maintsy tapahantsika ao. Tokony hiheritreritra ny Kristianina rehetra eto Madagasikara fa ao anatin’ny sehatry ny Kristianisma ny herin’i Satana amin’izao fotoana izao mampiasa ary mamoritra ity firenena ity sy mamotika an’i Madagasikara mihitsy amin’ny ankapobeny. Mila manangana firenena malagasy isika. Firenena, fanjakàna, vahoaka, firenena mitsinjo vahoaka fa tsy vahoaka mitsinjo fitondram-panjakàna. Ho ambara amin’ny fotoana manaraka ny tokony atao, hoy hatrany ny ARFM.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-déc-2024

Porofo iray indray izao fa misy tokoa ny fifanarahana eo amin’ireo olon’ny antokon’ny fitondrana sy ireo milaza azy hoe mpanohitra.

Card image cap
06-déc-2024

Averiko ihany, hoy ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo, Alexandre Georget,

Card image cap
06-déc-2024

Nahitsy ny kandida Tahina Razafinjoelina naneho omaly tamin’ny tafa mivantana tamin’ny haino aman-jery

Card image cap
06-déc-2024

Hatramin’izao, 15 taona mahery aty aoriana, dia mbola misy malagasy miantso ny malagasy mitovy aminy hoe foza» ihany.

Card image cap
06-déc-2024

Andro vitsy mialohan’ny fifidianana, mbola mametraka ahiahy goavana ny raharaha fanabontsinana

Card image cap
06-déc-2024

Manohana ary hampandany an’i Tahina Razafinjoelina amin’ny fifidinana ben’ny tanàna ho tanterahana ny 11 desambra 2024

Card image cap