2ere (Franceinfo) omaly fa tafaporitsaka an'i Madagasikara i Augustin Andriamananoro, Minisitry ny serasera Malagasy teo aloha, depiote IRMAR am-perinasa,... Efa niala teto Madagasikara, nandalo tao Mayotte ny alahady sy alatsinainy lasa teo ary lasa any Paris-France i Augustin Andriamananoro, hoy io fampahalalam-baovao vahiny io. Sambo no voalaza fa nahatongavany tany amin’ny nosy Mayotteny alahady lasa teo, ka avy ao indray izy no nandray fiaramanidina niazo an’i Paris. Franco-malagache, hoy ny Mayotte 1ere, izany hoe manana zom-pirenena frantsay ingahy Augustin Andriamananoro ka tsy olana firy aminy ny niditra tao Mayotte sy any France. Ny volana oktobra 2025 no efa noahiahiana amina fanakorontanana i Augustin Andriamananoro ka nanaovan'ny mpitandro filaminana bemidina. Ny 17 febroary lasa teo, nanambara ny Filohan'ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko fa nesorin'ny birao maharitry ny Antenimierampirenena marain'io andro io ny "Immunité parlemantaire" na ny zo tsy azo hanejehana azy, izay nambara fa nanara-dalana ny dingana ́nirosoana tamin'izany. Nisy moa ny fisavana ny trano fonenany. Voarohirohy amin’ny fanohintohinana ny filaminana sy fikasana hamboly korontana, izy raha ny vaovao ofisialy izay namafisin'ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo fa mampiantrano sy mikirakira "compte fake" hanakorontana saim-bahoaka. Nambara ihany koa fa misy dosie kolikoly mikasika fanodinkodinana volam-panjakana. Rahampitso sy rahafakampitso izany dia mety hitosaka sy hitombo ny "compte fake" avy any ivelany hanenjika ny fitondrana ankehitriny !? Herinandro taty aoriana, dia io mivoaka io ny vaovao fa efa tafatsoaka. Ny nanaitra kely fotsiny dia nofafan'ny Franceinfo ilay vaovao avy eo, saingy mbola hita soritra kely ihany ny fisiany nivoaka tamin'ny tranonkala sy ny tambajotra X. Midika indray ve fa diso ary mbola eto i Augustin Andriamanoro ? Na izany na tsy izany, ny zava-misy dia maneho fa mbola mora izany ny fitsoahana an'i Madagasikara, ary tsy vao sambany tamin'ireo mpanao politika manan-draharaha sy dosie maloto ara-pitsarana na ara-politika no nandositra. 2002, 2009, izao 2026 izao,... samy nisy nandositra tamin'ny alalan'ny ranomasina daholo izay afaka, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika sy mpanara-baovao. 5000km ny halavan'ny sisin-dranomasin'i Madagasikara, mora tena mora ny andosirana miala eto amintsika raha azo antoka ny idiran'izay mpandositra any amin'izay firenena idirany. Raha hiverenana, mpitondra ambony maro no namoahana didy tsy fahafahana mivoaka ny sesin-tany na IST vao nirodana ny Fitondrana Rajoelina, ka anisany ny mpikamban'ny governemanta maro. Nisy ny heverina fa nitsoaka nialoha toa an-dry Lalatiana Rakotondrazafy, fa misy ny taty aoriana mihitsy toa an-dry Naina Andriatsitohaika. Ny mahagaga fotsiny teo anatrehan'izao zavatra mitranga izao dia hoe: tena tsy hita ve ny toerana nisy ireny olona voarohirohy tamin'ny afera maizina ireny? Sa misy olona ambony niaro sy nanafina? Tsy ampy ve ny vesatra nahafahana nisambotra na nitazona azy? anao ahoana ny mety ho fangejana ny fananany? Ahoana ny fepetra amin'ireo hafa?
EFA MPISEHO
Tato anatin’ny 5 taona farany, ny Praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo ohatra, dia nohelohin'ny Fitsarana, voasazy 5 taona an-tranomaizina sy onitra 6 miliara ariary (1,3 tapitrisa euros eo ho eo) rehefa voampanga ho nanao fanodikodinana vola an-tapitrisa euros tao amin’ny CNAPS teo anelanelan’ny taona 2010 sy 2018. Talohan'ny nivoahan'ny didim-pitsarana ny septambra 2021, dia nanao fandosirana mahatalanjona, voalaza fa nandalo an'i Nosy Be, niondrana an-tsambo Kwassa-kwassa izy, izay sambo fampiasa matetika amin'ny fiampitana mangingina mankany Mayotte. Nandeha fiaramanidina nankany Suisse avy eo, izay voalaza tamin'izany fa manana kaonty amin'ny banky sy fifandraisana ara-bola. Nisy ny didy fampisamborana iraisam-pirenena fa tsy namokatra. Tahaka izany ihany koa ireo mpitantana ambony teo anivon'ny Jirama nizara "prime" tsy ara-dalàna amina miliara sy nanao fitantanana tsy nahomby. Efa tafaporitsaka vao navoaka ny didy fampisamborana ny Minisitra teo aloha sady efa Tale Jeneralin'ny Jirama Vonjy Andriamanga ny fiandohan'ny taona 2023. Ny Tahaka izany ihany koa ny Tale Jeneralin'ny Jirama tamin'izany Rivo Radanielina izay re fa niondrana tamin'ny "vedette rapide" niaraka tamin'ny volabe nitsoaka an'i Madagasikara,... Tahaka ny anaty horonan-tsary! Izay manana dosie maloto ka manana fahafahana ara-bola hitsoahana votsitra daholo dia adino afaka taona maro rehefa hafa ny mitondra!? Midika fa tena sarotra ny fifehezana ny sisin-tanintsika ka tsy ny mpanao politika nanana afera maloto fotsiny no miporitsaka fa hatramin'ny harem-pirenena mazava ho azy. Mila fieritreretana !
Toky R