airtel

Politique

08-sept-2025

Belobaka sy Boanamary, Mahajanga II

Tsy tanterahana didy maha ben’ny

Sample post image

tanàna ireo lanim-bahoaka…

08-sept-2025

Hatramin’ny volana Jolay 2025, dia mbola tsy tanteraka ny fandraisana fahefana ofisialy an’ireo Ben’ny Tanàna vaovao voafidy tao Belobaka sy Boanamary, ao amin’ny Distrika Mahajanga II, Faritra Boeny, raha ny fampitam-baovao sy antso avo ho amin’ny Fanjakana Foibe. Ahiana hiteraka savorovoro sy korontana. Na dia efa navoakan’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’État » tamin’ny 30 Jona sy 07 Jolay 2025 aza ny didy manan-kery manamafy ny fahalanian’izy ireo, dia mbola tsy nisy fifamindram-pahefana na “passation de service” ofisialy. Tranga mampanontany sy mampiahiahy, indrindra fa manitsakitsaka mivantana ny safidim-bahoaka. Raha ny antontan-taratasy ara-dalàna no jerena, dia efa voaray avokoa ny grosse avy amin’ny Tribonaly: ny kaominina Boanamary dia nahazo ny grosse N°146/EL-SP.1 tamin’ny 01 Jolay 2025, ary Belobaka kosa ny N°188/EL-SP.1 tamin’ny 07 Jolay 2025. Efa tonga any amin’ny Préfet Boeny sy ny Chef District Mahajanga II ihany koa ny notification ofisialy avy amin’ny Minisiteran’ny Atitany: N°560-MININTER/SG ho an’i Boanamary (25 Aogositra 2025), ary N°573-MININTER/SG ho an’i Belobaka (01 Septambra 2025), raha ny fampitam-baovao. Ankoatra izany, dia efa nisy ny taratasy fampahafantarana nataon’ny vadintany na « huissier » nalefa tamin’ny Governora, Préfet, Chef District ary ireo Ben’ny Tanàna amperin’asa. Efa naterina koa ny fangatahana ofisialy hanatanterahana ny passation de service: N°131 ho an’i Boanamary (02 Septambra 2025) sy N°134 ho an’i Belobaka (03 Septambra 2025). « Na dia eo aza ireo dingana ara-dalàna rehetra ireo, dia mbola tsy nanaiky hanao ny passation ny Chef District Mahajanga II, ka lasa mamorona sakana tsy mitombina, tsy manaja ny lalàna mifehy ny fitantanana kaominina. », hoy ny fanairaa. Vokatry ny fihetsika tsy ara-dalàna sy tsy mazava dia mitombo ny lonilony politika sy fahadisoam-panantenana eo amin’ny vahoaka. Miditra amin’ny adihevitra politika tsy mahasoa sy mety hiteraka savorovoro ny toe-draharaha, ary manimba ny fitokisana amin’ny Fanjakana Foibe izay tokony ho mpiaro sy mpanatanteraka ny lalàna. Lasa manome endrika fa tsy fanjakana miorina amin’ny rariny sy ny demokrasia no hita, fa rafitra manakana ny fanatanterahana safidim-bahoaka. Manoloana izany, dia manao antso avo amin’ny Fanjakana Foibe sy ny Minisiteran’ny Atitany ny vahoaka sy ireo mpanara-maso ny raharaha-panjakana, mba handray fepetra hentitra sy maika manoloana ity toe-draharaha ao Mahajanga II ity, hanatanteraka avy hatrany ny « passation de service » araka ny lalàna sy ny didy navoakan’ny fitsarana. Tsy tokony ho voahitsakitsaka ny safidim-bahoaka, ary aoka tsy sanatria hiafara amin’ny fifandonana vao ho taitra, hoy ny mponina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap