airtel

Politique

23-oct-2025

Ben’ny tanàna manerana an’i Madagasikara

Vonona handray anjara amin’ny dinika nasionaly

Sample post image

Niarahaba ny filoham-panjakàna vaovao,

23-oct-2025

ny Kolonely Michael Randrianirina, ny solontenan’ireo ben’ny tanàna manerana an’i Madagasikara, omaly. Nilaza izy ireo fa vonona hiara-hiasa amin’ny fitondràna vaovao. Maniry sy manantena fiaraha-miasa amin’ny minisitera hisahana ny fitsinjaram-pahefàna hitsangana ihany koa ho fampandrosoana maharitra ny vahoaka sy hampitombo ny fahefàn’ny kaominina. Vonona ny handray anjara amin’ny dinika nasionaly hitondràna fomba fijery vaovao mahakasika ny fitsinjaràm-pahefàna hitantanana ny kaominina miisa 1695 manerana an’i Madagasikara. Maniry ireto ben’ny tanàna ireto ny mba hisian’ny fivoriana manokana hiarahan’izy ireo amin’ny filoham-panjakàna vaovao, hoy hatrany ny fanambaràn’izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-sept-2026

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena

Card image cap
17-sept-2026

isika rehefa mitazona repoblika faha 4»

Card image cap
17-sept-2026

faharavan’ny Fanjakana jadona

Card image cap