airtel

Politique

20-janv-2025

BEN’NY TANANA MANERANA NY NOSY

Handray ny asany manomboka anio Alatsinainy

Sample post image

Handray ny asany manomboka anio Alatsinainy 20 Janoary avokoa ireo Ben’ny tanana voafidy hitantana ny tanana

20-janv-2025

mandritra ny 5 taona ho avy indray manerana an’i Madagasikara. Anio avokoa no hanatanteraka ny famindram-pitantanana eo aminy sy ny lefiny izy ireny, mialohan’ny handraisany ny fahefana feno. Tsiahivina moa fa niatrika fiofanana avokoa izy ireo afak’omaly Sabotsy 18 Janoary, niarahana tamin’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana. Ny Ben’ny tanana mantsy raha ny nambaran’ny Ministra izay nitarika ny fiofanana no tompon’andraikitra voalohany eny ifotony amin’ny resaka fampandrosoana noho izany tsara sy mety raha hampitomboana ny fahalalana hananany. Ankoatra ny resaka lalana dia nomarihiny fa nomena fiofanana momba ny sosialim-bahoaka koa izy ireny, ny lafiny ara-toekarena….Nomarihin’ity Ministra ity manokana moa fa betsaka ireo Ben’ny tanana voaantso eny anivon’ny mpitandro ny filaminana sy ny Fitsarana noho ny antony maro. Tsy mangalatra akory izy ireny hoy izy fa tsy mbola mahafehy tsara ny resaka lalana sy ny fitantanana noho ny hamaroan’ireo rafitra an-tanan-tohatra tsy maintsy arahina ka mendrika ny hoampiana sy hotohanana.
Pati
Legende : Mila fiofanana ny Ben’ny tanana noho izy tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampandrosoana eny ifotony !

 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Mihamafy ny fipoahana sosialy ateraky ny olana samihafa miantraika ara-toekerana,

Card image cap
16-juin-2025

Hakiviana ny an’ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao

Card image cap
13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap