airtel

Politique

16-juin-2025

Fahefàna mpanao lalàna sy mpanatanteraka

Variana mifandoka sy mifangataka, ny vahoaka miha fadiranovana

Sample post image

Hakiviana ny an’ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao

16-juin-2025

tamin’iny herinandro iny nijery ny nafitsok’ireo parlemanta sy ireo mpikamban’ny governemanta nandritra ity atao hoe fifanatrehana na «face à face» teny anivon’ny antenimiera. Nanana 4 minitra avy ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza handraisana fitenenana fa dia mampametra-panontaniana hoe naninona no nolanian’ny sasany tamin’ny fandokàfana ireo fahefàna mpanatanteraka na fisolelahana tamin’izy ireo mihitsy ny 3 minitra ary mbola nolaniana tamin’ny fangatahana koa ny 1 minitra ambiny, hoy ny isan’ny fanontaniana nipetraka? Efa hita fa na ny nanitsy tetibola na LFR aza tsy natao, hoy ny mpanao politika, Hery Rasoamiaramanana na Zaref, dia ianao mbola mangata-bola ihany. Sa mody atao an’izay dia rehefa mirava mifanorokoroka ihany, hoy ny fanontaniany? Ny tsy fanaovana LFR, hoy izy, efa midika fa tsy misy ny vola ka inona ihany aza? Sinema no betsaka, hoy kosa ny mpanao politika hafa. Variana mifandoka sy mifangataka ny fahefàna mpanao lalàna sy mpanatanteraka kanefa ny vahoaka miha fadiranova, raha fintinina ireo fanehoan-kevitra. Tamin’ny mbola 2,15 Dolara aza no namaritan’ny sehatra iraisampirenena ny vola tokony ho an’ny am-paosin’ny olona tsy mahantra intsony, isan’andro, efa be dia be ny mahantra, hoy ny teo anivon’ny Randrana sendikaly, ka maika moa fa izao izy nakarin’ny firenena mikambana ho 3 Dolara izao?
Nangonin’i J. Mirija 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap