izay mampitombo ny ambana ara-politika ho an’ny Fitondrana Rajoelina. Ny olona efa misy ny manira-tena makeny an-dalambe tsy mila mpitarika politika noho ny olana samihafa. Ny fahasosorana samihafa any anaty rafitra ara-panjakana sy eny anivon’ny fiarahamonina mihafamafy,… Ny vidim-piainana miha mindangana isan’andro, ny 70% amin’ny tanora tsy an’asa, ny mpiasam-panjakana 3 taona tsy nisy fisondrotan-karama, ny sehatra tsy miankina miha sahirana andro aman’alina vokatry ny olana maro sosona,… Tsy maharo ny Fitondrana ireo lazaina fa ezaka sy fampandrosoana entiny, betsaka ireo toe-javatra tsy voafehy intsony, mihamafy ny fahasosorana any anaty Fanjakana,… Eny fa hatramin’ny fa olona matanjaka sy ianteherana ao anaty Fanjakana aza manomboka misy manozongozona sy mitandroka, raha raisina amin’ny ampamoaka sy fandrahonana ataon’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy izay tsy azo hamaivanina. Ity farany vao nilaza ny fiandohan’ny herinandro teo fa mitohy ny ady sy tolona amin’ireo mafia. « Mafy fa tsy mora, saingy vonona aho, ary tsy maintsy tratra na nakarina avo 4 na avo 10 aza ny fiara sy moto manaraka azy », hoy ity manamboninahitra izay manenjika mafy ny mpandraharaha matanjaka akaiky ny Fitondrana. Nanao ampamoaka samihafa mikasika ny voalaza fa tsikombakomba ao amin’ny tafika, toy ny « falsification » ana diplaoma, fampanasoniavina « attestation d’admission » ana mpianatra manamboninahitra vao avy niteraka,… Ny resaka CRCM, Covid no nolazaina tsy nandoavana ny volan’ny mpiasa, vola 672 miliara Ar an’ny miaramila hatramin’ny sivily tsy naloa, misy maty mihitsy. Nitohy ny fanononana ny mpandraharaha malaza sy ny karana, ka nilaza fa nisy sora-bola 80 miliara nokaofina tao amin’ny Jirama sy ny sampan-draharaha hafa. Misy minisitra notonontonina amin’ny raharahan-tany toy ny ao Nosy Be, Toamasina,… ka isan’ny notandrohan’ity Kolonely ity ny Minisitry ny fanajariana ny tany. Voatsikafona sy tratry ny fanairana noho ny toe-javatra hafahafa mikasika ny fitantanambolam-panjakana ny Minisitry ny toekerana sy ny Vola,… Namoaka ihany koa io Kolonely io fa izy no dokotera nitondra an’i Kolonely charles. « Perforation intestinale », famosaviana, saika hovonoina,… hoy izy. Nanamafy fa fiarovany ny ainy no nahatonga azy niala tao amin’ny toby nitazonana azy, ary nahazo toromarika tamin’ny zandary fa hovonoina,…
TENA MISY FANAHIANA GOAVANA…
Hatreto, tsy tena misy hetsika mivantana na « action » re saingy miteraka horohoro any anaty Fanjakana. Betsaka ny toe-draharaha tsy voalamina, ka mitambatambatra ny olana maro. Manomboka misy mijery izay hasiany ny tongony, mandeha ny « jeu de couloir » fandaminan-dresaka amin’ireo hery politika sasantsasany ivelan’ny fitondrana mba tsy hisian’ny mety ho fikitikitihana tombotsoa ara-toekerana sy fananana toy ny nahazo an’i Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2009. Misy mpanao politika nitety vanim-potoana, isan’ny voasokajy ho nanao ny mafana sy ny mangatsiaka teto amin’ny Firenena no re siosio ankehitriny fa ampanaovina iraka na « mission » hanao fandamin-dresaka any ambadika any. Asa ihany koa izay zavatra mety hiseho mety hifanohy na hifameno amin’ity karazana fihetsika sy fanambarana iray ity ato ho ato ? Andaniny, misy feo mandeha sy ahiahy amin’ny fanangonana olona matanjaka an’arivony voalaza fa nanaraka famondronana na fiofanana ho komando. Olona efa mahay mampiasa basy (ex-militaire ? ), mahay haiady, avy nigadra no navondrona ? Misy manamboninahitra vazaha sy Malagasy mampiofana ? Mbola raisina ho siosio sy ahiahy aloha io hatreto saingy tsy azo hamaivanina ny fahamarinany na fahadisoany…
Toky R