Voamarina ny tsy fisiana ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Ambonivohitr’i Toliara, raha ny tatitra ara-panjakana. Nandritra ny fivoriana ara-potoana nataon’ny Filankevitra Monisipaly ao amin’ny Kaominina Urbaine Toliara, dia navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny fanapahan-kevitra manamarina ny fahabangana amin’ny toerana mahaben’ny tanàna an-dRabehaja Jean voafidy tamin’ny anaran’ny IRMAR. Araka ny fanapahan-kevitra laharana faha-25/______/CMC/U/, dia voamarina fa tsy hita nanatanteraka ny andraikiny nandritra ny enim-bolana mahery i Rabehaja Jean, ka niteraka fahabangana ara-dalàna amin’ny fitantanana ny Kaominina. Ny fivoriana izay natao teo anelanelan’ny 01 ka hatramin’ny 19 Desambra 2025, araka ny fanasana ofisialy navoaka tamin’ny 17 Novambra 2025, dia notarihin’ny filohan’ny Filankevitra, Andriamatoa Azaha Tondraka. Nanatrika feno ny fivoriana avokoa ireo mpikambana 15 amin’ny Filankevitra, ka tsy nisy tsy tonga na tsy nanome fanazavana. Araka ny lalàna mifehy ny Fanjakana sy ny Fitantanana ifotony, dia manan-kery ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filankevitra taorian’ny fanazavana nataon’ny filohan’ny fivoriana sy ny adihevitra nataon’ireo mpikambana. Voarakitra ao amin’ny andininy voalohany amin’ny fanapahan-kevitra fa “voamarina ny fahabangana amin’ny toerana maha-ben’ny tanàna an’i Rabehaja Jean noho ny tsy fahatongavany miasa tao amin’ny Kaominina nandritra ny enim-bolana mahery.” Ny andininy faharoa amin’ny fanapahan-kevitra dia manendry ny Prefen’i Toliara ho tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana sy fanaraha-maso ny fanapahan-kevitra. Voasoratra ihany koa fa ho zaraina sy havoaka amin’ny toerana rehetra ilaina ny fanapahan-kevitra, araka ny andininy faha-3. Ity fanapahan-kevitra ity dia manamarika fitsimbadihana lehibe amin’ny fitantanana ny Kaominina ambonivohitr’i Toliara, izay mitaky fanendrena vaovao na fifidianana amin’ny toerana ben’ny tanàna. Mbola andrasana ny fepetra manaraka sy ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana amin’ny fametrahana mpisolo toerana na fanatanterahana fifidianana vaovao.
Toky R