ordonnances", na taratasy fahazoan-dalana manokana hifidy navoakan’ny fitsarana, tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny 11 desambra 2024 lasa teo. Rehefa nampitahaina ny tarehimarika dia hita ao, araka ireny resaka efa nivoaka ireny ihany fa Antananarivo renivohitra no namoahana "ordonnances".
Mitotaly 34 988 ny ordonnances navoaka ho an’Antananarivo renivohitra ka lohalaharana ny boriboritany faha 4 (11 327), faharoa ny boriboritany voalohany (8617) ary fahatelo tamin’ny fahamaroan’ny olona nifidy tamin’ny alalan’ny ordonnance ny boriboritany faha 3 (4627). Efa tena naha be resaka sy nitrangana savorovoro isan-karazany teny amin’ny boriboritany faha 4 tahaka ny Anosibe, namontana, Soanierana, Ouest Mananjara…dia io fa rehefa nojerena ny tarehimarika dia tao amin’ity boriboritany ity izay misy depioten’ny IRMAR malaza mpitarika tanora no betsaka indrindra ny famoahana « ordonnances » ho an’ny renivohitra. Anya m-pelatanan’ny CENI ny tarehimarika rehetra, maro ny fitorohana sy fitarainana natao ary mbola ho atao fa dia asa izay ho fanapahan-kevitra manoloana izany. Ireo kandida hafa, ankoatra an’i Harilala Ramanantsoa natolotry ny IRMAR dia efa samy nampiaka-peo avokoa fa misy zaatra mampiahiahy ny lisipifidianana sy ny famoahana « ordonnances » nandritra iny fifidianana iny.
Nangonin’i RTT
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia
Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny
Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,
Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,