stratejika amin’i Madagasikara-Frantsa
Noraisin’ny Filohan’ny Fanavaozana na ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael teny Iavoloha omaly 06 oktobra i Catherine VAUTRIN, Minisitry ny Tafika sy ny Miaramila Tranininy frantsay, notronin’i SEM Jean-Marc Grosgurin Ambasadaoro Frantsay sy ny Minisitry ny Foloalindahy malagasy, Jeneraly Razafitombo Ely. Fihaonana ara-diplomatika sy ara-stratejika eo amin’i Madagasikara sy Frantsa. Nitondra hafatra manokana avy amin’i Emmanuel Macron ny Minisitry ny Frantsay, Catherine Vautrin, ka nilazany fa « Manome lanja manokana an'i Madagasikara ary liana amin'ny tetikasa fanavaozana ataon’ny Firenena ankehitriny i Frantsa". Nohamafisiny ihany koa fa "Iraky ny Filoha Frantsay, ka matoa tonga eto dia noho ny fangatahan'ny Filohan'ny Repoblika frantsay, Andriamatoa Emmanuel MACRON". Avo lenta ny dinika, ka anisany ny fiaraha-miasa ara-tafika sy ara-stratejika eo amin’i Madagasikara sy Frantsa, indrindra amin’ny fiarovana ny lakandranon’i Môzambika izay ivon’ny fifamoivoizana an-dranomasina sy ny filaminana eto amin’ny Ranomasimbe Indianina. "Amin’ny maha Firenena mpifanolo-bodirindrina an’i Madagasikara sy i Frantsa, aty amin'ny Ranomasimbe Indianina, izay samy manana sisin-tany manamorona ny lakandranon'i Môzambika, zava-dehibe ny fifanakalozana eo amin'ny Firenena roa tonta, mikasika ny ambana misy eo amin'ny fiarovana izay sisin-tany izay, ao anatin’ny fanajana ny fiandrianam-pirenena", hoy hatrany i Catherine Vautrin. Nambaran’ny Minisitry ny Foloalindahy, Jeneraly Razafitombo Ely, fa hohamafisina ireo hojerena sy hatsaraina araka ny filan’ny tafika malagasy ireo tetikasa efa misy. Mitohy ny fampiofanana miaramila, ny fanazaran-tena iarahana ary ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ara-miaramila. Tafiditra ao anatin’izany ny fanokafana lalana mankany amin’ireo faritra lavitra sy mitoka-monina, mba hanamorana ny fidiran’ny tafika sy hampisitrahana ny mponina ny harena sy ny vokatra any amin’ny faritra. Tahaka izany ihany koa ny fanohanana ny hopitaly miaramila, ny fiaraha-miasa amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ary ny fanamafisana ny fiarovana an-dranomasina. Nisongadina manokana ny tetikasa VOLOBE, ny ady amin’ny fanjonoana sy fanondranana tsy ara-dalàna, ary ny fiarovana ny lakandranon’i Môzambika, izay heverin’ny roa tonta ho laharam-pahamehana stratejika. Nampahafantarin’ny delegasiona frantsay ny tetikasa fanatsarana ny Seranan-tsambon’Antsiranana, kasaina hanamafy ny fahafahany mandray sambo sy ny anjara toerany eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fiarovana an-dranomasina. Amin’ny ankapobeny, mampiseho ny fitsidihan’i Catherine Vautrin fa miitatra sy mihamafy ny fanamafisana fatorana amin’i Madagasikara sy Frantsa eo amin’ny sehatra stratejika samihafa.
Toky R