Tsy maintsy miafara amin’ny diniky ny samy malagasy ny famahàna ny olana eto amin’ity firenena ity, hoy ny manam-pahaizana momba ny politika na «expert en sciences politiques», Cipryen Michel Raheriharimahefa. Na ny tondrozotra tamin’ny taona 2011 aza, hoy ity mpikamban’ny CSC na ny vondron’ny firaisamonim-pirenena nandray anjara tamin’ny famahàna ny olana tamin’izany fotoana izany ity, dia nametraka tsara ao amin’ny andininy voalohany izay fifanakalozan’ny samy malagasy na «dialogue malgacho-malgache» izay. Izay no nampiharina. Tsy dia fantatry ny malagasy fa nandeha ny diniky ny samy malagasy tamin’ny tapany faharoan’ny tetezamita nisian’iny tondrozotra na «feuille de route» iny. Ny famahana ny krizy no nisy lesoka ary io no tsy maintsy harenina. Maka lesona tamin’ny nampandringa ny famahana ny krizy tanatin’ny fifidianana 2013-2014 isika. Diniky ny samy malagasy no tsy maintsy hamahàna ny olana saingy tsy mety anefa ny hoe mpanao politika sady mandidy no homana. Tsy mety raha mpanao politika ihany no omena andraikitra andamina ny fitsipi-dalao. Tsy mety any amin’ny baolina kitra izao hoe ny ekipa mpilalao ihany no asaina mamoaka fitsipi-dalao. Ny nampety ny fifanakalozan’ny samy malagasy tamin’ny fotoan’andro izao dia tsy nanaiky ny fanendrena avy amin’ny fitondràm-panjakàna izahay tao amin’ny CSC. Naka ny fahaleovantenanay manokana mihitsy izahay ary tsy voafehin’ny fanjakàna ka niafara tamin’ireny «Ni… ni» ireny. Tsy nisy fianakaviambe iraisampirenena nitondra «Ni… ni» izany fa ny diniky ny samy malagasy no nahatonga ny «Ni… ni» tamin’ny fotoan’andro. Miandry ny fifidianana ny mpanao politika. Mifanao Ikotofetsy sy Imakaha ny samy malagasy. Ny SADC tsy afaka hanery na inona na inona. Ny olana dia mifanambaka an-toerana ny samy malagasy. Ny «avant centre» na lohalaharan-dRavalomanana, ohatra, no asain-drizareo mi-«dribble» na mijijy baolina miverina dia taraiky eo Ravalo. Hiteny ianao hoe tsy mety io nefa ny lohalaharanao no mijijy baolina miverina. Izany no tsy mampahomby an’ilay izy, hany ka any amin’ny SADC sisa Ravalo no mandeha. Lasa hiady an-trano izy raha hiady amin’ireto olony efa anaty fahefàna ireto. Aleo tsy mandidy dia homana ny mpanao politika fa diovina tsara ny kianja. Tsy hoe atao karazana mpanelanelana ny fiarahamonim-pirenena. Any amin’ny fampihavanam-pirenena no ilàna mpanelanelana. Ny fametrahana demokrasia na «état généraux de la démocratie» sy ny karazany dia tsy fanelanelanana fa fametrahana fotokevitra itondràna ny famahana olana eto Madagasikara. Tsy mety ny hoe olon-tokana na firehana tokana no mifehy ny rafitra rehetra. Tokony atao mazava tsara ny fisaraham-pahefàna. Amin’izao mody hoe omena fahefàna tsy azo ivalozana ny HCC nefa mpanao politika no manendry azy. Raha fahotàna mahafaty izany no ataony dia ahoana. Ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha 72 izao milaza hoe raha mivadibadika amin’ny firehana nahalany azy ireo depiote ireo dia tokony tratry ny fanalàna azy amin’ny toerany. Ireo nefa izao zareo niova tampoka. Ny manendry praiminisitra nefa voalaza hoe tokony depiote maro an’isa lany tamin’ny fifidianana. Rehefa manaiky ny zava-misy izany ny HCC dia tsy maintsy ekena na petatoko aza ka tsy maintsy ovaina izany ny hoe fehezin’olon-tokana na firehana tokana ny demokrasia eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija