airtel

Politique

15-déc-2025

Dadafara

« Mpangalatra no sady tsy mahay

Sample post image

daholo ny mpitondra teto hatramin’izay »

15-déc-2025

Nivoaka tamin’ny fahanginany tamin’ny alalan’ny fivahinianan’ny filohany, Joseph Martin Randriamampionona na Dadafara, tamina fahitalavitra rahavavy iray ny antoko Politika RTM na Refondation totale de Madagascar ny sabotsy teo. Ny RTM, hoy izy, matoa natsangana dia satria hita fa tsy nandeha amin’izay laoniny ny fiainam-pirenena tamin’ny fotoana nananganana azy. Samy manana ny heritreriny mikasika ny atao hoe «refondation» na fanorenana ny rehetra fa ho an’i Dadafara manokàna dia fanarenana ny tsy mety no dikany. Ohatra ny mikasika ny lalàna. Raha tratran’ny lozam-piarakodia ianao ka tapaka ny tongotra, tsy afaka miasa intsony ianao, maka mpisolovava, mahazo 20 tapitrisa Ariary any amin’ny fitsaràna dia mivoaka mihitsy ny didy hoe ny mpisitraka na «bénéficiaire» dia ilay mpisolovava fa tsy ilay lasibatry ny loza. Betsaka ny olona voasolokin’ireo mpisolovava ireo amin’izay fotoana izay, amin’izao betsaka no tratra. 4 tapitrisa Ariary fotsiny no nomen’ilay mpisolovava ilay lasibatra. Be dia be ny lalàna toy izany. Ohatra koa hoe ho any an-dafy ianao, hitondra devizy, tsy mbola nahita firenena misava devizy mivoaka izany ny tena raha tsy eto. Nanomboka ny taona 2021 dia noferana ho 10.000 Euro ny vola mivoaka eto. Ny saran’ny kaontenera aza nefa efa manakaiky an’izay. Raha hividy entana ianao izany dia tsy mahazo na inona na inona any. Rehefa tratra mitondra vola mihoatra ilay olona ka hoe tsy voambara na «déclaré» dia alain’ny fadin-tseranana 100% ilay vola. Tena fandrobàna no ataon’ny fadintseranana! Toy izany koa ny APIPA. Tokony hiaro ny tondra-drano eto Antananarivo izany nefa mametraka lalàna izy hoe tsy misy mahazo manototra tany mihitsy eto Antananarivo. Raha manana tany izany ianao dia tsy manana zo hitrandraka ny taninao. Akan-drizareo vola amina miliara ianao vao manototra tany. Betsaka no tratran’izany ao. Anjaran’ny APIPA nefa, raha ny tokony ho izy, no manamboatra tatatra na lalan-drano. Ny vahoaka nefa rehefa tondraka i Antananarivo dia tsy misy manome tsiny ny APIPA na ny iray aza. Ny vahoaka nefa misy manary fako anaty tatatra sy manototra tany. Orana kely atsasan-kadiny dia tondraka i Antananarivo na koa ireo renivohi-paritany hafa. Be dia be ny fanorenana ilaina atao eto amin’ny firenena. Ny olona no olana. Na inona rafitra apetrakao eo, rehefa ratsy ny olona, dia tsy hisy fampandrosoana azo antenaina eto. Fara-faha keliny, raha ny iray amin’ny filoham-pirenena sy praiminisitra fotsiny no olo-marina sy manam-pahaizana dia hisy fahagagana eto Madagasikara. Ny amerikanina izao manao tetibola. 6700 miliara Dolara ny azy ny tetibola amin’ity taona ity hiasàn’ny amerikanina. 12.500km ny lalam-pirenena eto Madagasikara. 6 miliara Dolara fotsiny izany dia vita ny lalam-pirenena rehetra eto Madagasikara. Raha miampy tetezana dia mety hoe 10 miliara Dolara. Ny olana dia mpangalatra no sady tsy mahay daholo ny mpitondra teto hatramin’izay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap