hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Isan’ny tena andraikitr’ireo loholona, hoy izy, ny manara-maso ireo olomboafidy any amin’ny faritra isanisany avy. Isan’ny isatra eto Madagasikara ny hadiriny satria i Madagasikara dia firenena isan’ny midadasika eto ambonin’ny tany. Tsy resahana ny resaka fampitaovana na «logistique». Ny fisian’ny fifidianana toy ireny no hanafainganana ny fampandrosoana firenena. Resaka fahamarinan-toerana ny an’ny fitondràm-panjakàna fa tsy nampiasaina firy mihitsy angamba izany mba hisian’ny fanovàna ifotony amin’ny faritra tsirairay avy mba hisian’ny fampandrosoana marina. Mbola firenena faran’ny mahantra isika hatramin’izao. Tomponandraikitra tanteraka ny parlemantera, na solombavambahoaka io na loholona, amin’ny tsy fampandrosoana ny firenena satria tena ireny no tokony hitondra tatitra eo anivon’ny fitondràm-panjakàna mahefa ka matoa mbola tsy manana ny maha izy azy, indrindra, ny vahoaka sy ny fahafahany mihary dia tsy nahavita ny asany ny olom-boafidy. Ny 11 desambra no fotoana nofaritan’ny Fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC hanaovana ny fifidianana loholona. Anaty vanim-potoam-pifidianana izany isika dia tokony mba hihezaka ny herivelona rehetra mba hanome olona ho fidiana hanova izay tsy fihetezana eto amin’ny firenena izay. Ny resaka hoe mety fisian’ny fanovàna governemanta dia raha ny fisian’izany hatramin’izay no nampanankarena ity firenena ity dia efa nahafinaritra satria maromaro ihany izay governemanta efa niova teto izay. Na hanova governemanta im-piry aza isika ka tsy manana politikam-pampandrosoana hanatsaràna ny fari-piainan’ny malagasy tsirairay avy ny fitondràm-panjakàna dia mbola resabe ny fanovàna. Fanovàna mpikamban’ny governemanta angamba no nisy raha ny marimarina kokoa fa ny governemanta tsy niova foana ny mpitarika azy hatramin’izay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija