airtel

Politique

29-juil-2025

Dany Rakotoson

«Tsy ao mihitsy ny fitiavan-tanindrazana ara-toekarena eto!»

Sample post image

Lasa raharaham-pirenena ny resaka fanapoizinana sy fahapoizinana ara-tsakafo

29-juil-2025

eto na dia azo sokajiana hoe tranga na «fait divers» aza izany manerantany, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson, satria na ny mpanohitra na ny mpanohana fitondràna dia samy miteny ny tiany ho tenenina anaty tambazotran-tserasera. Ny resaka fifamoivoizana ana habakabaka moa, izay mampametra-panontaniana hoe mifanitsoka ve izany amin’izao fotoana izao ny mpitondra ao anatin’ilay izy, dia taratra ao anatin’izay foana ny toetra ratsin-draolombelona, hoy izy. Jerena foana ny hoe izao indray no azo itifirana an’ity fitondràna ity na ity minisitra ity. Tsy fifandrifian-javatra ny fisehoan’ireny anatin’izao akatoky ny fandraisana ny SADC izao fa izay na mety adalàn’ny fitondràna koa no manome alalana kaompania avy any ivelany hialokaloka aty Madagasikara, noho ny fisian’ny fanagiazana na «embargo» ara-toekarena any ka tsy ahafahany mandraharaha. Ny tombony azon’ny malagasy anatin’ireny rehetra ireny no tokony jerena. Raha firenena farany mahantra isika androany dia ny fitondràm-panjakàna izany tokony hitady ny fomba na tetika sy politika rehetra ahafahana manankarena na mampandroso ny firenena. Isan’ny mampandroso firenena ny fisiana fivoriana an-tampony toy izao sy ny COI farany teo ireny. Aza adino fa tonga eto ireny amin’ny resaka fandraharahana, fampiantranoana, fiara, fampitaovana rehetra. Tsy ho an’ny fitondràm-panjakàna fotsiny ny vola tokony hiditra amin’izany fa ho an’ny vahoaka malagasy mihitsy. Ohatran’ny firenena mandray lalao olaimpika na tompondaka erantany ihany io. Tsy fiteny mihitsy, noho izany, ny hoe tsy tokony atao eto Madagasikara ny zavatra toy ireny fa ny rehetra mihitsy aza no tokony hiara-hientana isian’ireny eto matetika. Miteraka fiovàna be dia be ny fisian’ireny na dia eo amin’ny lafiny fahadiovan’ny tanàna sy fanatsaràna ny tanàna fotsiny aza. Ny fifanampiantsika no hahalasa alavitra antsika fa ny fitondràm-panjakàna, izao no takatry ny sainy, voafetra ny sainy. Faritra ara-toekarena lehibe sy matanjaka ny SADC. Ny olana teto hatramin’izay dia ny tsy fahaizan’ireo mpitondra nifandimby nanararaotra an’io faritra ara-toekarena lehibe io. Mila ianarana izany. Isika anaty firenena «insulaire» na mitokana dia na ny velarana andraharahana aza dia toy ny ferana anaty nosy kely. Ny olona mahita lalana anatin’ilay izy tsy mahay mizara fa tia tena. Tsy ao mihitsy ny fitiavan-tanindrazana ara-toekarena na «patriotisme économique» eto hoe andao isika hiaraka hivoatra na amin’ny resaka lamba io na fambolena na fihariana tantely sy ny rehetra ireny! Efa ela isika no tao anaty SADC fa mbola tsy haintsika mihitsy ny namadika azy ho fitaovana mampandroso. Ny fahafahan’ireo mpandraharaha mitady lalana tsaratsara kokoa no tokony imasoan’ny fanjakàna malagasy anatin’io fa tsy hampidera fotsiny hoe jereo ny teleferikanay fa mandeha na ity werawera rehetra ity, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap