ny iainany izany demokrasia sy ny tany tan-dalàna izany ny olompirenena sy ny fiarahamonim-pirenena ary koa ireo mpanao politika taorian'iny tolom-bahoaka ny 25 septambra 2025 iny. Dia manao tohivakana koa ny fanehoan-kevitra momba ny raharaham-pirenena tao anatin'izay fito volan'ny fitondrana Fanavaozana ny Repoblika izay. Manginy fotsiny ny resaka demokrasia sy ny fanajana ny tany tan-dalana izay anankianan'ireo mpomba ny fitondrana Rajoelina ny fitondrana Fanavaozana noho fampidirana am-ponja ireo olon'ny IRMAR nanana andraikitra tamin'iny fitondrana rava iny. Etsy ankilany ny mpitondra ankehitriny milaza sy manamafy hatrany fa tsy misy tombo sy hala ny fampiharana lalàna fa izay nanao fandikan-dalàna dia enjehin'ny Fitsarana. Mangina tsy andrenesam-peo ny HCDDED eo anatrehan'izany. Inona no mitranga, inona antony ? Ny lalàna 2015-001 tamin'ny 2015 no mamaritra ny fananganana ny HCDDED (Filankevitra Ambny momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna). Andrimpanjakana iray, manana ny foiben-tozrany etsy Soanierana - Boriborintany fahaefatra - Antananarivo Renivohitra. Ny iraka voalohany ataony dia ny miantoka ny fanajana ny demokrasia, ny zon’olombelona, ny tandrohasina eo amin’ny fitondrana, ny fitondrana tsara tantana, ary ny fanjakana tan-dalàna eto amin’ny firenena. Manana fahefana hanao tolo-kevitra amin’ny andrim-panjakana sy tsy miankina koa izy. Izy io dia ahitana mpikambana valo avy amin’ny andrim-panjakana samihafa (Filoha, Antenimierandoholona, Antenimierampirenena, Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, Fitsarana Tampony, sns.). Dimy taona tsy azo havaozina ny fe-potoana iasan'ny mpikambana mandrafitra azy. Andiany faharoa hatramin'ny nijoroany no misy ankehitriny, ary mbola tamin'ny fitondrana teo aloha no nanavaozana ireo mambra ny HCDDED ankehitriny. Mety ho izay ve no anton'ilay fahanginana ?
Jean D.