Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana raha ny tatitra nataon’ny depiote Milavonjy Philobert Filoha lefitra faha-7 eo anivon’ny Antenimierampirenena avy amin’ny mpanohitra omaly. Niongana tsy ho solombavambahoaka i Lalao Rahantanirina (Majunga I), Jocelyne Rahelihanta (Diégo I), Roberto Tinoka (Toliary I), Princia Soafilira (Analalava), ary Ahmad Ahmad (Mitsinjo). Saika lany tamin’ny anaran’ny MAPAR avokoa avokoa ireo 4 raha toa ka lany tamin’ny anaran’ny tsy miankina i Ahmad Ahmad izay Filohan’ny Kaonfederasionin’ny baolina kitra teo aloha. Ity farany izay tsiahivina fa nirotsaka ho kandida Filohan’ny Antenimierampirenena tamin’ny volana oktobra 2025 teo rehefa nirodana ny birao maharitra notarihin’ny Filohan’io andrim-panjakana io teo aloha Tokely Justin. Nisintona ny filatsahany tamin’ny ora farany anefa izay tsy fantatra mazava ny antony, ka kandida tokana sy voafidy ny PAN ankehitriny Siteny Randrianasoloniaiko. Izy mirahalahy mianaka ireo izay nifandray tanteraka ny tadin-dokanga tany amin’ny taona 2021 rehefa lany ho Filohan’ny Judo aty Afrika i Siteny Randrianasoloniako fa ny ankehitriny no tsy hay ? Tsy dia nampoizina ihany ny ho firafitr’ity lisitra ity ka maro no mametra-panontaniana mikasika ireo depiote hafa tsy hita popoka hoe : afaka tao anatin’ny fanonganana sy mbola misitraka karama sy ireo tombotsoa samihafa ve na tsy hita popoka aza ? Sa mbola hisy andiany faharoa ? Anisan’izany ohatra ry Naivo Raholdina izay tsy hita sy nangina nanomboka ny 25 septambra 2025 nanombohan’ny fitakiam-boala, tsy tazana intsony ihany koa i Lanto Rakotomanga, Iramah Naharimamy,… Raha miverina amin’ny fanonganana depiote, dia nanomboka fantatra ny hisian’io rehefa nandeha ny fanonganan’ny HCC ireo loholona 2 dia i Lalatiana Rakotondrazafy sy Richard Ravalomanana ny 23 desambra 2025, rehefa nohamarinina ny tsy fanatrehana fivoriana nandritra ny fotoana naharitra, indrindra fa tao anatin’ny « session budgétaire » na fivoriana nandinihana ny tetibolam-panjakana, ka nohamarinina ny fahabangan-toerana tsy nisy fanazavana sy porofo maharesy lahatra. Araka ny andininy faha-72 amin’ny lalàmpanorenana, ny fivadihana vondrona parlemantera sy famadihana ny lalan-tsaina sy fitsipika nifehy ny vondrona parlemantera no ahafahana manongana depiote toy ny nataon’ny MAPAR tamin’ny PAN teo aloha Christine Razanamahasoa ary mitovitovy amin’io no natao tamin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha Herimanana Razafimahefa, fa ireto mikasika fanonganana depiote nilatsaka ireto dia noho ny fingitrihana izay lasa nisy endrika fanalana tena. Niezaka niaro ireo olony moa ny volomboasary fa noho ny fiarovana ny ainy no tsy nahitana ireo sasany ka nahoana anefa ireo hafa no sahy nipoitra ? Mahana sy matahotra amin’ireo afera maro ?
Toky R
Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana