airtel

Politique

24-avril-2023

Politique

Depiote Edizard - Vohémar « Tahotra an’i Siteny no antony hanenjehana azy »

Sample post image

Tsy misy mitombina ireo fanaratsiana an’i Siteny Randrianasoloniaiko fa ny BIANCO izay nampiantso azy in’efatra miantoana aza, tsy afaka nanaporofo ny fitantanana lazaina fa tsy nety :

24-avril-2023

mangarahara tanteraka ny fitantanany tao amin’ny Antenimiera fony izy kestiora ». Io no navalin’ny Solombavambahoaka Edizard, voafidy tao Vohémar, manoloana ireo fanasoketana an’i Siteny Randrianasoloniaiko. Ampatsiahiviko, hoy izy fa noho ny finiavan’ny mpitondra ankehitriny hanenjika an’i Siteny R. amin’ny fomba rehetra, dia efa in’efatra nampanantsoina teny amin’ny Bianco ny tenany nanomboka tamin’ny 2020. Namaly ny antso soa aman-tsara hatrany izy : io resaka fitantanana fony izy kestiora tao amin’ny Antenimiera io no nampiantsoana azy. Minoa ahy ianareo fa raha nisy hokianina ny fitantanany, na dia kely toy ny voatsinapy aza, dia tsy maintsy efa nisy fepetra nihatra taminy. Saingy nadio ny fitantanany ary mangarahara. Noho izany, tsy misy mitombina ireo dosie noforonin-dry zareo mpitondra, nitarika ny fihainoana azy, hoy ny depiote Edizard. Ny tahotra an’i Siteny R. hatrany no mampiteniteny fahatany ny Solombavambahoaka IRD misolelaka hoy ity olom-boafidy tao Vohémar ity. Nanamarika izy fa nandritra ny naha-kestiora an’i Siteny R. dia tsy nisy fahatarana - tahaka ny ankehitriny - ny fandraisam-bolan’ny mpiasan’ny Antenimiera ; tsy nisy olana - tahaka ny ankehitriny - ny famatsiana ny solika enti-miasa. Ankehitriny anefa dia mikatso sy misy fahatarany daholo ny zava-drehetra. Tsara ny ahafantaran’ny rehetra fa hatramin’izao faramparan’ny volana izao, dia mbola tsy nahavoaray ny anjara solika hiasana tamin’ity volana aprily ity ny mpiasan’ny Antenimiera sy ny Solombavambahoaka, hoy ny depiote Edizard. Asaivo mandiso izany ireo IRD mpisolelaka raha sahy. Tsy mbola nisy izany tamin’ny fitantanan’i Siteny fony izy mbola kestiora. Efa solombavambahoaka teo aloha ny tenako, ka afaka mijoro vavolombelona amin’izany.

 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap