dia menatra aho, tsara mba mila mianatra kely, ary tsara angamba raha mba asiana fepetra kely ny fahafahana mirotsaka ho loholona ! Depioten’i Madagasikara sy Loholon’i Madagasikara no resaka eto », hoy ny valin-kafatry ny depiote Gascar Fenosoa manoloana ny tsikera nataon’ny Loholona Tsiebo Mahaleo azy. Raha hiverenana, nitaky ny hamoahana amin’ny fomba mangaraharaha sy amin’ny antsipirihany ny fifanarahana mikasika ny Base Toliara io depiote io, saingy nambaran’ny Loholona Tsiebo Mahaleo, fa ny ao amin’n’ny Boriborintany faha-3 no nifidy ity Solombavambahoaka ity ka tsy misy hidirany ny any Toliara II. Mahalala ny tokony hataony ny olom-boafidy any an-toerana fa tsy ny depiote voafidy taty amin’ny Biriborintany faha-3 no hanome lesona azy, hoy io loholona io. Teo ihany koa moa ny filazana fa voararan’ny fitsipika anatin’ny Antenimiera ny fitsabahana amin’ny any an-kafa. « Omeko fanajana izy amin’ny maha Raiamandreny azy, fa ny filazany hoe : ny fitsipika anatin’ny Antenimierampirenena dia tsy afaka mijabaka any dia tsy izay, fa tsy afaka manao tatitra any ! Ny resaka CIAD (Crédit d'investissement destiné à l'appui au développementa) ny Toliara dia tsy azonao hidirana,… Ambany be sy mirefarefa ny adihevitra, ary tsy resaka CIAD no resaka. Fantany ve ny antsoina hoe : IDE (Investissement Direct Etranger) ka ny kaominina sa ny depiote sa ny fokontany no manao fifanarahana. Ny Fanjakana no manao izany ka raharaham-pirenena ny Base Toliara ka tsy raharahana depiote fa tsy raharahana senatera avy any Toliara », hoy ny solombavambahoaka Gascar Fenosoa. Nahitsy ity depiote ity nanamafy fa mila ampahafantarina ny vahoaka amin’ny antsipirihany ny bokin’andraikitra mikasika ny Base Toliara, avoaka ampahibemaso, raha tsy misy zavatra afenina ao. Mila avoaka ho fantatry ny depiote ny zavatra nifanarahana ao. Notsiahivin’ity depiote io, fa tamin’ny Fitondrana Rajaonarimampianina dia ny volomboasary no tena nitsipaka an’io, nilazana mihitsy fa mihoatra an’i Hitler, handripaka vahoaka, handripaka ny foko Mikea, ny Baobab,… fa androany ny « orange » no miteny fa aleo atao io, ka misy tsy mazava. Izao lazaina fa nisy fanavaozana, ka ataovy mazava. Milaza ohatra ny filoham-pirenena fa 180 tapitrisa dolara, fa mankaiza avy ? Ohatrinona amin’ny vokatra no ho azontsika ? Ny vahoaka manahy fa ho ritra ny ranony,… Misy resa-bola ao ! Ajanony mihitsy aloha, ampiatoy mihitsy aloha, dia andao jerena ambony latabatra, fa betsaka ny ahiahy, ny resaka « radioactivité »,… Tsy misakana fampandrosoana raha tena izay, fa misy zavatra tsy mazava hoe : notoherina omaly, dia ekena androany, hoy hatrany io depiote io. Miisa 9 ny depiote efa nangataka fanadihadiana parlementera amin’io, saingy misy dingana, misy rafitra sy misy fanao politika manakana ny solombavambahoaka tsy hanao ny asany, hoy ny fanamarihan’io depiote io. Nilaza ity depiote ity fa raharaha maromaro no efa nisy nangataka fanadihadiana parlemantera ka anisany ihany koa ny raharaha Kolonely Patrick Rakotomamonjy.
Toky R
Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny
Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,
Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,
Miainga eny ifotony ny fampandrosoana hoy Andriamanantena Seraphin,
Pastera Heritiana Tsy misy zavatra mandeha araka ny tokony ho izy intsony