Taorian’izy 3 mirahavavy, izay minisitra teo aloha, dia ny depiote Andry Ratsivahiny, izay lany tao Atsimondrano, izany izao no depiote faha 4 avy amin’ny IRMAR na Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina hita ho niverina nivory teny amin’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza indray nanomboka omaly. Tsy misy izay mpanara-baovao tsy mahalala angamba fa fahefàna mpanao lalàna izany solombavambahoaka na depiote izany fa tsy fahefàm-pitsaràna na mpanatanteraka. Rehefa mihaino ny fanehoan-kevitr’ireo depiote IRMAR miverina ao Tsimbazaza ao nefa dia ny mifanipaka amin’izany hatrany matetika no heno. Toy ny an’ny fahefàna mpanatanteraka hatrany ny fanehoan-kevitr’izy ireo nefa mpanao lalàna. Saika heno hatrany ny hoe tsy maintsy tohizana, ohatra, ny asa fampandrosoana dia eo mampanantena vahoaka lava eo hoe hanao an’izao sy izao na dia iaraha-mahalala aza fa tsy anjaran’ny fahefàna mpanao lalàna mihitsy ny manao asa tokony ataon’ny fahefàna mpanatanteraka. Iny izao ny depiote Ratsivahiny omaly dia nilaza fa Efa vonona amin'ny adidy ho an'ny vahoaka ny tenany na ao an-dapa na eny an-kianja. Ny natomboka, hoy izy, tsy maintsy tohizana! Asa fampandrosoana ho an'ny vahoakan’Atsimondrano hatrany. Maro ianareo namana no niandry. Mitohy ny asa ho an'ny tantsaha, ny vehivavy. Izay nolazaina dia atao ho tombotsoan'ny distrika, hoy hatrany ny tenany. Tena izany ve no tokony ho andraikitrana depiote?
J. Mirija
Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena