nataon'ny Filohan'ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko, mba hanome hevitra momba ny fahafahan’ireo solombavambahoaka niala tamin’ny vondrona parlemanterany hiditra ao amin’ny maro an’isa manohana ny Fitondrana na "majorité présidentielle" ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana na ny HCC omaly talata. Nisafidy ny tsy hamaly mivantana ny HCC. “Tsy voafaritra ao amin’ny Lalàmpanorenana ny fananganana sehatra ho an’ny maro an’isa eo anivon’ny fitondrana, fa fifandaminana ara-politika sy fifanarahana fotsiny ihany”, hoy ny HCC. Raha tsiahivina, niala tao anatin'ny Vondrona Parlemantera IRMAR ny 80% tamin'ireo mpikambana tao anatiny, izay nisy ny lany tamin'ny tsy miankina fa teo koa ny TGV, ka niditra amin'ny antsoina hoe "majorité présidentielle" izay manohana ny Fitondrana. Na izany aza, nampitandrina ny HCC ny amin'ireo solombavambahoaka niala tamin’ny vondrona niandohany mba hitandrina amin’ny fifandraisana amin’ny antoko hafa. Tsy mandrara ny fananganana vondrona parlemantera vaovao izy, satria tsy manakana izany ny Lalàmpanorenana, raha ny ambangovangony. Nohamafisina anefa fa tsy tokony hisy fiantraikany amin’ny fijoroan-kevitry ny solombavambahoaka ny fidirana ao amin’izany vondrona vaovao izany. Tokony hitazona ny fahalalahan-kevitra sy ny fahalalahan’ny latsa-bato ny solombavambahoaka niala. Nampahatsiahivin’ny HCC fa tsy afaka manova antoko politika ny solombavambahoaka mandritra ny fe-potoam-piasany, afa-tsy raha misafidy ny ho tsy miankina. Ny sata maha-solombavambahoaka tsy miankina dia tsy very afa-tsy amin’ny solombavambahoaka voafidy ho tsy miankina hatrany am-piandohana. Raha voafidy tsy misy antoko, dia afaka miditra amin’ny vondrona parlemantera tiany amin’ny fiandohan’ny fe-potoam-piasany. Notsindrian'ny HCC ihany koa fa ireo solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny antoko politika nefa mandritra ny fe-potoam-piasany dia miala ka miditra amin’ny antoko hafa, dia heverina ho tsy marina ara-politika. Ny fivilian-dalana sy ny fiovaovan-kevitra vokatry ny tombontsoa manokana dia mety hiteraka fandroahana amin’ny toerany. Hatramin’ny nionganan’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana, am-polony ireo solombavambahoaka voafidy tamin’ny sehatra Isika Rehetra Miaraka Amin’i Andry Rajoelina no niala tamin’io vondrona maro an’isa teo aloha. Na tiana na tsy tiana, dia nisy fiovana foto-kevitra sy fitsimbadihana ho sakaizan'ny mpandresy noho ny tsio-drivotra politika tao !
Toky R