airtel

Politique

09-oct-2026

Dinika fanavotam-pirenena

"Andao aloha

Sample post image

hamafisina ny fanorenana!"

09-oct-2026

Ny hirosoana tanteraka amin'ny atao hoe fanovàna ifotony no imatimatesan'ny DFP na Dinika fanavotam-pirenena, hoy ny mpitarika azy, Maharavo Ratolojanahary na Doudou. Efa fitakianay hatramin'ny 2016, nitsanganan'ny DFP io, hoy izy, ary fitakiana nanomboka ny 25 septambra 2025 koa. Andao aloha hamafisina ny fanorenana! Mila manapaka na manao "rupture" tanteraka amin'ny rafitra rehetra nisy tao anatin'izay 60 taona izay aloha isika. Izany io fanorenana takian'ny olona io. Tsy hoe manatsara ny fiainam-bahoaka dia ampy. Miangatra loatra, ohatra, ny rafi-piarahamonina gasy amin'ny fitantanana ny harem-pirenena. Talohan'ny fanjanahantany sy izao rehetra izao nefa nisy vondron'ny raiamandreny, vondron'ny vehivavy, tanora nivondrona tanaty fiarahamonina, izay nanana fahefàna manapaka amin'ny anaran'ilay fiarahamonina misy azy avy rehefa nifampiheràna. Nifampiheràna ny fitondràna ny tany. Nony tonga taty aoriana ny rafi-pifidianana modelin'ny tandrefana dia iaraha-mahita hatramin'izao fa mifono fitaka sy halatra be. Fifidianana olona, hosoka tsy hosoka, fifidianana mahatonga fanonganàm-panjakàna. Rehefa tsapantsika, noho izany, hoy hatrany ny DFP, fa nampahantra antsika ny fototry ny rafitra nisy teto tao anatin'ny 60 taona dia mila fongorina tanteraka.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

09-oct-2026

teto, nofy ratsy ho azy mianakavy…

Card image cap
09-oct-2026

Miroso hatrany amin’ireo asa

Card image cap
09-oct-2026

Manentana ny herivelona rehetra hifanatona

Card image cap