airtel

Politique

30-juin-2025

Dinika momba ireo Nosy Malagasy

Tsy azo antoka sy tsy antenaina ny Fitondrana Rajoelina…

Sample post image

tanterahana any Lafrantsa anio 30 jona ny fifampidinihan’ireo Vaomiera Frantsay-Malagasy

30-juin-2025

mikasika ireo Nosy Malagasy, izay tsy dia antenaina firy hisy vokatra miabo. Sarotra ny inoana fa hisy vokatra misongadina sy araka ny andrandrain’ny Malagasy. Ny mampanahy aza dia ny mety vao mainka hamatoran’ny Fanjakana Rajoelina an’ireo Nosy makany amin’ny Fiaraha-mitantana, mifanohitra amin’ny fanapahana ny lalàna fanapahan’ny Firenena Mikambana (Résolution) lah. 34/91, tamin’ny taona 1979, nilaza mazava fa an’i Madagasikara madiodio tsy ifampizaràna ireo Nosikely antsoina hoe : Juan de Nova, Europa ary Bassas da India. Ny volana aprily teo, nilaza i Andry Rajoelina, fa efa notakiana hatramin’ny taona 1970. Mbola tsy misy fiovana 55 taona aty aoriana, ka nilazafa raha tsy azo amin’ny fomba diplaomatika dia tsy tafika no vahaolana fa fifampidinihana iraisam-pirenena, ary mila jerena ny marimarimaritra iraisana sy fiaraha-miasa. Hifanaraka amin’ny Frantsay hanao fiaraha-mitantana na « co-gestion » ny Fitondrana Rajoelina ? Tsipahan’ireo herivelona samihafa eto ny fikasana hiditra amin’ny « co-gestion », ary isan’ny namarafara mafy tamin’io ny SERA (Sehatry ny Raiamandreny) izay namoaka matoan-kevitra araka ny lalàna na « opinion juridique » tapa-bolana lasa. Ny SERA izay ahitana manam-pahaizana isan’ny angady nananana ny fehin-kevitry ny ONU tamin’ny 1979. Andaniny, raha serasera politika tsy tena mazava no havoitran’ny Fitondrana Rajoelina mikasika ireo Nosy ireo, dia tena tsy matoritory ny Frantsay fa tena mampiasa ny diplaomasiany, vao avy niantso ny Vondrona Eoropeanina hanohana azy amin’ireo Nosy ireo, ka nilaza fa manohintohina ny fiandrianan’i Lafrantsa ny fihetsik’i Madagasikara mikasika ireo Nosy ireo. Ny Andrim-panjakana Frantsay samihafa mamoaka fanapahana mikasika ireo Nosy, toy ny fandaniana fa hatao tahiry ara-boajanahary. Izy ireo izay raha ny lojika dia tsy tokony hihetsi-bolomaso akory raha ny tanjaka iraisam-pirenena raha tsy hilaza fa anisan’ireo Firenena 5 matanjaka manana teny farany na « droit de véto » eo anivon’ny Filankevi-pilaminan’ny ONU. Ny antsika na fanapahana iray aza tsy nisy teo amin’ireo andrim-panjakana MAPAR no maro an’isa, ny diplaomasia « mangorera » ka antso firaisankina avy amin’ireo Vondrona Firenena toy ny SADC, COI, Vondrona Afrikanina,… aza tsy nisy. Ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina teo aloha niadiavana,…
TSY SAHY MIKOFOKA MANOLOANA NY FAMETAVETAN’NY FRANTSAY…
Tsy sahy mikofoka eo anatrehan’ny fihetsika na « fametavetana » mihitsy ataon’ny Frantsay. Nihantsy sy nandranitra ny tenin’i Emmanuel Macron teto Madagasikara hoe : « ny fahantranareo 80% no tokony hojerena fa aza mikitikitika ny Iles Eparses », fa tsy sahy namaly an’iny ny Fitondrana Malagasy na fehezanteny iray aza. Nandritra ny fivorian’ny COI natao teto, ny Filohan’i Comores Azzali Assoumani indray no sahy nanatsikafona teo imason’i Emmanuel Macron sy Filoham-pirenena ao anatin’ny COI izay nanakoako eran-tany fa manitsakitsaka ny lalàna Iraisam-pirenena i Lafrantsa, fa i Andry Rajoelina sy ny ekipany nifitsaka. Mariky ny fiandrianam-pirenena ireo Nosy, ary tena hiadiavana, kanefa azo inoana sy eritreretina ve fa izao Fitondrana Rajoelina be sinema izao no hahavita ny iraka hamerina ireo ? Ny ahiana aza mety fifanarahana vao maika hamatotra hisasahana amin’ny Frantsay no hipoitra eo ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap