airtel

Politique

17-janv-2024

Diplaomasia

Hahavita fahagagana ve ny Minisitry ny raharaham-bahiny ?

Sample post image

Tontosa omaly ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny teo

17-janv-2024

aloha Rtoa Yvette Sylla sy ny Minisitra vaovao Rtoa Rasata Rafaravavitafika. "Atao laharam-pahamehana ny diplomasia mampandroso ny toekarena ary homena sehatra ny Malagasy am-pielezana handray anjara feno amin’ny fampandrosoana" hoy minisitry ny Raharaham-bahiny vaovao omaly. Nambara fa hamafisina ny fifandraisana amin’ny firenena rehetra miara-misalahy amin’i Madagasikara, eo amin’ny sehatry ny fampivoarana ny maha olona. Ho tandroka aron’ny vozona ny masoivohontsika, hiaro ny fiandrianam-pirenena sy ny filaminana ary ny voninahitr’i Madagasikara, hoy hatrany Rasata Rafaravavitafika. Ity minisitra ity moa no faharoa zandriny indrindra eo anivon’ny governemanta satria vao 36 taona kanefa dia nananan’ny Filoham-pirenena fitokisana lehibe hitazona toerana stratejika goavana satria departemanta iray amin’ireo Minisiteran’ny fiandrianam-pirenena ny raharaham-bahiny. Eo ny fanamby sy ny finiavana hanao zavatra fa tena hahavita fahagagana ve ny Minisitry ny raharaham-bahiny vaovao ? Ny departemanta iantsorohany izay isan’ny tsy marin-toerana indrindra tao anatin’ny 5 taona nitondran-dRajoelina voalohany. Minisitra 5 no nifandimby tao niainga tamin’Atoa Naina Andriantsitohaina, Jacob Tehindrazanarivelo, Richard Randriamandranto, Patrick Rajoelina, Yvette Sylla, ary dia io misantatra ny taom-piasana vaovao io indray Rtoa Rasata Rafaravavitafika. Tsara ny manamarika, fa efa mpitondra tenin’ny Minisitra teo Patrick Rajoelina ihany ny tenany. Tsy nahatendry Ambasadaoro afatsy 5 ny Fitondrana Rajoelina, ary ny iray aza nampodiana natao minisitra tamin’ny governemanta farany teo. Tao anatin’ny fitantanan’i Patrick Rajoelina io Minisitera io no nisian’ilay serasera nipoapoakan’ny fitondrana tamin’ny fanangonana « CV » ho an’ireo izay te hotendrena ho ambasadaoro, saingy mandrak’ity ny androany tsy nisy na iray aza voatendry kanefa 303 ny dosie nambara fa voaangona. Ny diplaomasia Malagasy zary lasa tsy ambony tsy ambany, nisabababaka tsy hita izay tena niafarany, tsy tena naharesy lahatra ireo mpiara-miombon’antoka,… ary mbola manampy trokatra izany ilay fifidianana farany teo izay vao mainka nampitobo ny tsy fahatokisana ny mpitondra na manao firesaka diplaomatika aza ny vahiny. Henjana noho izany ny miandry ity Minisitra vaovao ity ka asa hoe : hahavita fahagagana ve eo anatrehan’ny mety ho fahasarotana maro ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

13-janv-2026

tsara ny lasitra aloha

Card image cap
09-janv-2026

aloha milaza fa valifaty politika izao»

Card image cap
09-janv-2026

tsy hanaiky ny gaboraraka intsony

Card image cap
09-janv-2026

baton'ny IRMAR tao Vondrozo!

Card image cap