airtel

Politique

06-janv-2026

DOKOTERA TINA ZHY

Hitarika ny Com-TIM Ampanefy

Sample post image

Nandalo vanim-potoana sarotra ny

06-janv-2026

Antoko Tiako I Madagasikara ao amin'ny kaominîna Ampanefy, distrikan'Antananarivo Atsimondrano nanomboka tamin'ny volana Desambra taona 2024, izany hoe : talohan'ny fifidianana kaominaly. Nisara-bazana ireo mpikambàna noho ny tsy fitoviam-pijery tamin'ny fanendrena izany ho kandida Ben'ny tanana. Tsy nandray anjara noho izany ny antoko TIM tao Ampanefy ary tsy nahatafiditra afa-tsy mpanolontsaina iray dia ny Dokotera Tina Zhy Randrianarisaina izay mitazona ny toeran' ny Filoha lefitra ao amin'ny filan-kevitry ny tanana ankehitriny. Amin'izao vanim-potoanan'ny fanovana sy fanavaozana izao, indrindra taorian'ny nandresen'ny tolona iombonana dia niezaka nampiombona ireo mpikambàna rehetra indray ity Dokotera ity, ary nahomby izany noho ny etika sy fahendrena politika izay hananany. Izy moa no manam-pahaizana amin'ny fitantanana ifotony sy ny fampandrosoana ifotony ary mpampiofana momba izany rahateo. Tafatsangana ankehitriny ny Birao vaovaon'ny Com TIM ao anatin'ny kaominina Ampanefy ka lany ho Filoha mpitarika azy ny Dokotera Tina Zhy Randrianarisaina, notronin'ireo mpikambana marobe izay efa nisintaka sasany ka resy lahatra ny hiombona indray. Vonona hitondra fomba fijery vaovao ny Birao izay mitsangana ao anatin'ny fanatanterahana ilay teny filamatra manao hoe : Fiombonana sy fahombiazana. Efa vonona ny drafitra taona 2026 izay hanombohan'ny Com TIM Ampanefy hiasa indray hanomezana tanjaka ara-bola, asa ary olona izay manana fahaiza-manao sy fikirizana. Miantso ny olom-pirenena rehetra ny Com TIM Ampanefy hiombona ho amin'ny fampandrosoana ny tanana sy ny fiainan'ny mponina. Ny tanjona dia ny handresen'ny antoko TIM amin'ny ambaratonga rehetra, tarihin'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Pati
Légende : Izy no Dokotera Tina Zhy Andrianarisaina ! 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap
28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap