airtel

Politique

12-juin-2026

Dr Joseph Randriamiarisoa

«Be dia be ny tokony ovaina

Sample post image

eto raha te ho firenena vanona isika!»

12-juin-2026

Manahirana ny zava-misy ary maha be fanontaniana, hoy ny mpikatroka eo anivon’ny antoko politika UNDD, Dr Joseph Randriamiarisoa. Mba ahafahantsika mitondra fanazavàna ny zava-misy ankehitriny, hoy izy, dia tsara ihany ny mampahatsiahy ny niatombohany. Inona moa no notakiantsika sy ny vahoaka malagasy hatramin’izay? Ny zava-nisy tamin’ny herintaona dia nanapa-kevitra ny vahoaka malagasy hoe tsy mety intsony izao. Sahirana ny mponina. Tsy voahaja ny zo fototra eto amin’ny firenena. Ravao ny fitondràna nisy teo aloha! Izay no nangatahantsika. Ravao ny zava-nisy teo taloha fa andao isika hanao fanovàna sy fanorenana ifotony! Izay no nifanarahana sy nihavian’izao fitondràna ankehitriny izao. Manao ilay fanovàna ve izao isika? Manao ilay fanorenana ifotony ve isika? Lasa resa-be izao ny hoe andao hanao fikaonandoham-pirenena fa tsy hoe andao hanao fanovàna sy fanorenana ifotony! Mila matotra amin’ny zavatra atao isika. Ny fitakian’ny malagasy teny amin’ny 13 may dia fanovàna sy fanorenana ifotony. Navadintsika hoe fanavaozana ilay izy. Eo dia efa manahirana satria tsy manao ilay fitakiana izany isika fa manao zavatra hafa. Mety ho ilaina ny fikaonandoham-pirenena fa ny tena takian’ny olona dia fanorenana ifotony, fanavaozana, fanovàna. Nekentsika sy ny HCC ny fitondràna mijoro amin’izao fotoana izao. Na tsy tena io aza no notadiavina dia fara-faha ratsiny mba tao ilay fanovàna sy ilay fanorenana ifotony tiana atao. Afaka manao fanorenana ifotony sy fanovàna io fitondràna io raha hanao. Izany resaka fanovàna sy fitakiana fanorenana ifotony izany tsinona hevitra goavana be ary hevitra politika lalim-paka. Tsy vao izao fa fara-faha ratsiny izany efa niorina tany amin’ny taona 1960 na 1970 tany. Ny hetsi-bahoaka nataontsika tamin’ny 1947 dia efa fitakiana fanovàna sy fanorenana ifotony. Ny fitakiana nataonay tamin’ny 1972 efa fitakiana fanovàna sy fanorenana ifotony satria fitakiana fiverenana amin’ny maha malagasy no natao tamin’izany. Tolona efa niorim-paka hatramin’ny 1947 izany no nataontsika ny 25 septambra 2025. Tohin’ny tolona nataon’ny VVS, Sadiavaha, Menalamba, MDRM nitohy tamin’ny 1972, 1991, 2001, 2009 ny 2025. Izay no maha diso ny hoe Gen Z no nanao ny tolona. Nanohy ny tolona no nataon’ny Gen Z. Tokony nanana fomba fijery hafa lalim-paka isika! Mila manao fijery misandrahaka fa tsy mijery ny androany androany fotsiny. Tsy ahaova na inona na inona isika raha vao izay fotsiny no fomba fijerintsika. Tsy nitranga androany ny zava-misy androany fa nanomboka omaly, afak’omaly, hatramin’izay. Tokony hanantsika malagasy sy ny mpitondra te hanova zavatra eto amin’ny firenena izay foto-pisainana izay. Mbola hevitra politika goavana be koa ny hoe «Fanovàna». Tsy afaka hanova raha tsy manana fijery. Apetrao ny fanontaniana hoe inona no ovaina? Fanontaniana tokony apetraky ny governemanta sy mpitondra aloha izany hoe inona no tokony ovaina eto amin’ny firenena? Fantantsika ve ny fomba hanovàna azy? Fanontaniana be dia be no teraka rehefa tsy manao an’izay isika. Tsy resaka lalàmpanorenana fotsiny no ovaina. Be dia be ny tokony ovaina eto raha te ho firenena vanona isika, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija


 

Dans la même rubrique

12-juin-2026

hibaiko ny tsy mahay eto amin’ny firenena!»

Card image cap
11-juin-2026

Raha samy maneho ny fiheverany

Card image cap
11-juin-2026

tadin-dokanga momba ny fikaonandoham-pirenena! »

Card image cap