Miarahaba ny rehetra ary miarahaba manokana an'ireo rehetra voatendry handray ny adidy mavesatra eto amin'ny firenena, , hoy ny mpampianatra mpikaroka, Dr Ny Hasina Ratsimbazafy. Mirary azy ireo mba tena hitondra ny fanovàna sy fanavaozana tokoa, hoy izy. Masina ny fanabeazana ka ny fametrahana azy ho lohalaharana no zava-dehibe amin'ny fanovàna andrasana. Ny tontolon’ny fanabeazana no lehibe indrindra anatin’ny hoe fanorenana. Inona moa izao, ohatra, no maha lasa lavitra ny japoney? Tena mpampianatra mahay ny azy no apetrany any ifotony. Olona efa manana Master mihitsy no mitàna ny kely indrindra. Tena zava-dehibe ny azy ny fanabeazana fototra. Isan’ny mampandroso ireo firenen-dehibe rehetra ireo koa ny resaka fikarohana. Saika tany niady ireo aziatika ireo toy ny sinoa, koreanina, japoney.
MANINONA NEFA IZAO NY SINOA NO LASA FIRENENA MATANJAKA INDRINDRA ERANTANY?
Nanokàna tena politika avo lenta momba ny fianarana sy fampianarana izy. Eo ny fametrahan-drizareo ny rafitra «méritocratie» na fanomezana toerana ny olona tena mahay. Manokana ny politika fitantanana ny vatsim-pianarana. Raha mila mahay fanjaitra, ohatra, ilay firenena kanefa tsy misy mahay izany ao dia manokàna tetibola mihitsy ny governemanta handefasana mpianatra izay vonona hianatra fanaovana fanjaitra any Etazonia. Ireo mpianatra nalefa tany avy eo tsy hoe ajanona any fa manana politika hamerenana azy ireny indray avy eo ny governemanta. Tena omeny lanja ny manam-pahaizany ary karamainy ambony be tsy ho vitan’ny firenen-kafa. Izao izy lasa mpamokatra fanjaitra. Izay izao mikasika ny tontolon’ny mpianatra fa eo koa ny tontolon’ny mpampianatra satria tsy nisy isika rehetra raha tsy teo ny mpampianatra. Henatra maneran’izao tontolo izao izany mpampianatra mitokona na kely sy ambany karama izany. Rehefa milamina ny mpampianatra dia milamina ho azy ny fanabeazana. Mila jerena mialohan’ny zavatra rehetra ny mahaolona!
TENA MINO VE ISIKA IZAO FA TSY MISY FISAINANA MANAM-PAHAIZANA MALAGASY MIHITSY, OHATRA, ANATIN’IRENY FANAFODY IRENY?
Tsy ampy ny fanomezan-danja ny fahaizana sy fikarohana eto Madagasikara. Misy lafiny be dia be ilaina moa ny fitantanana firenena. Ny traikefa ananana indrindra indrindra, ankoatran’ny diplaoma. Ny nianarako politika sy fampandrosoana izao tany Chine. Tamin’izany fotoana ry zareo mbola firenena faharoa matanjaka indrindra erantany. Tsy manana antoko politika be dia be izany ry zareo. Ny Profesora lehibe rehetra isan-tsehatra ny azy no mitambatra ho karazana filankevitry ny olon-kendry sy mamolavola ny politikan’ny fireneny. Nisy fotoana, ohatra, miteny ireo hoe andao hatao kaominisma! Nandramana ny kaominisma dia mankato ny vahoaka sinoa satria matoky ny manam-pahaizana. Rehefa iaraha-mahita hoe tsy mety dia avaozina mankany amin’izay mampety kokoa ireo vahoaka sinoa hatrany ary io i Chine lasa firenena matanjaka indrindra erantany io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija