airtel

Politique

13-sept-2013

Dr Rasolovoahangy Roseline Emma

> “Mila mandray fitondrana aloha”

Iray amin’ireo kandida nailiky ny CES ny Dr Rasolovoahangy Roseline Emma. Tsy milavo lefona ity farany ary mbola manantena ho kandida. Nisy ny resaka nifanaovana taminy.

13-sept-2013

Tia Tanindrazana (TT) : Tsy mbola mankasitraka vehivavy filoha ny fiarahamonina Malagasy amin’ny ankapobeny, manaiky izay ve ianao ?
Dr Rasolovoahangy Emma (Dr Emma) :
Efa miova ny toe-tsain’ny Malagasy. Eken’ny fiarahamonina amin’izao vanimpotoana izao ny vehivavy filoham-pirenena, indrindra taorian’ny nanoloran’ny filoha teo aloha Ravalomanana ny vadiny ho kandida filoham-pirenena. Raha izy no sahy nanambara fa vitan’ny vadiny ny mitondra ny tany sy ny firenena dia betsaka ny Malagasy no resy lahatra fa mety ho vehivavy no hitondra amin’ny manaraka.

TT : Mbola tanora ianao sady manampahaizana, nahoana no nitetika ny toeran’ny filoha avy hatrany fa tsy nandalo ireo antanantohatra ara-politika na nijanona teknisiana sy mpandraharaha ?
Dr Emma :
Tsy nanam-pikasana ny hanao politika mihitsy aho fa niasa foana tao amin’ny sehatry ny fihariana. Nanomboka tamin’ny 2006 ny tenako no nanao fikarohana solitany tao amin’ny faritr’i Betioky. Raha ny fikasana ato anatiko dia ireo harena ankibon’ny tany no trandrahana hampandrosoana ny firenena. Kanjo moa voasakantsakan-dry zareo mpitondra hatrany. Niezaka nangataka fanampiana sy fanohanana tamin’ireo mpitondra ankehitriny sy teo aloha izay fantatro aho toy ny minisitra, praiminisitra eny hatramin’ny filoha Rajoelina aza. Sonia iray dia efa tokony ho nahafahako nanomboka tetikasa goavana nefa tsy nomen-dry zareo mihitsy fa aviliviliny sy angatahany vola an-tapitrisany. Nisy koa ny fampitahorana fanagiazana ny asa vitako sy fisintonana ny fahazoan-dalana manao fikarohana solitany rehefa tsy nanaiky lembenana ny tenako. Araka izany dia resy lahatra aho fa mila ovana ny rafitra ary mba hahatanteraka izany dia mila mandray ny fitondrana aloha. Natoky tena ihany koa aho fa manana ny vina, ny traikefa entina mampandroso an’i Madagasikara

TT : Anisan’ireo kandida nailiky ny CES ianao ary nitory tamin’ny sehatra iraisam-pirenena, nanao ahoana ny tohiny ?
Dr Emma :
Nisy fanitsakitsahana ny zon’olombelona sy tsy fanajana ny lalam-pifidianana sy ny fitsarana ny fomba nanesorana anay tsy ho kandida. Misy olona manana porofo manamarina ny fisian’ny olona voavidy vola tao amin’ny CES, misy koa mpitsara efa misotro ronono nefa mbola naiditra tao ihany. Ny ampitson’ny andro namoahana ny lisitra ihany dia efa nametraka fitoriana teo anivon’ny CES izahay nefa tsy nodinihan’ity farany akory ny votoatiny. Voatery izahay nandeha tany amin’ny tribonaly afrika. Resy lahatra avokoa ry zareo tany izay nilaza fa tsy mety ny fanapahan-kevitra manilika anay sady nanamafy koa fa tsy tokony hidiran’ny politika ny raharaham-pitsarana. Mitaky ny fanarenana ilay fahadisoana ry zareo raha mbola tazonina ihany ny fifidianana. Raha tsy misy fanitsiana izay dia mety tsy heken’ny firaisambe iraisam-pirenena ny voka-pifidianana.

TT : Hanohana ny iray amin’ireo kandida 33 ireo ve izany ianao ?
Dr Emma:
Tsia ! Mbola mihevitra ny hiditra mpifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenako, araka ny voalaza teo, fa tsy hanohana olona.

 

 TT : Misy mpiara-miasa aminao dia ny minisitry ny fahasalamana teo aloha Ranaivoson Henri miantso ny olona tsy hifidy. Tsy miombon-kevitra aminy izany ianao satria mbola mikasa ho kandida ?
Dr Emma :
Heviny manokana iny satria araka ny lazainao dia mbola manam-pikasana ny hilatsaka ny tenako. Malalaka ny fanehoan-kevitra ato aminay.

TT : Efa mandeha ny famokarana ny vato tokana amin’izao sady efa antomotra ny fampielezan-kevitra, aiza intsony ny fotoana hanomananao ny firotsahanao indray raha toa ka ekena tokoa ilay firotsahanao indray ?
Dr Emma :
Ampy ny fotoana satria efa herintaona mahery no nametrahanay ireo “base” manerana ny Nosy. Malahelo sy latsa-dranomaso mihitsy ry zareo noho ny zava-misy amin’izao.

TT : Misy kandida mangalatra «départ» sahady, hitory indray koa ve ianao ?
Dr Emma :
Tena tsy “pré-campagne” tokoa izy io fa tena efa fampielezan-kevitra mihitsy. Mba misy lalàna mifehy ny «pré-campagne» ve eto amintsika ? Na izany aza tsy handany fotoana amin’izany fitoriana izany aho.

TT : Mbola vao aty am-pilatsahana ianao dia efa voasakantsakana. Ho afaka hanohitra ireo mpanambola gasy sy vahiny ve ianao raha tonga amina toerana ambony ?
Dr Emma :
Marihiko fa tsy maintsy ny harena ara-boajanaharintsika no entintsika mampandroso ny firenena ary tadiavina ny lalana rehetra hahatongavana amin’izay na ho vy na ho vato na hamoizana ny aina aza. Tsy hilefitra mihitsy isika amin’io resaka io. Raha tsy izay mantsy dia vao mainka ho sahirana ny vahoaka izay efa fadiranovana ny ankamaroany. Manjaka hatrany ny tsy fandriampahalemana, ny fanabeazana miha ratsy, manginy fotsiny ireo marary sy maty noho ny fitsaboana tsizarizary. Saika isan’andro izao dia misy olom-pantatra mamoy ny ainy noho ny fahasahiranana.

TT : Nilaza ianao fa amin’ny 2014 no tokony hanomboka ny fitrandrahana ny solika eto. Sao dia ny tombontsoan’ny orinasanao manokana ary no tena antony anaovanao politika ?
Dr Emma :
Betsaka amin’ireo orinasa vahiny no tapitra tamin’ny 2012 ny fahazoan-dalana mikaroka solitany fa ho an’ny PETROMAD dia manankery hatramin’ny 2017 izany ary afaka manitatra roa taona ao aorian’io aza. Tsy maintsy manao fifanarahana vaovao ireo orinasa lany fetr’andro iasana ireo ary izay mihitsy no tena arovako satria be dia be ny “paramètres” mila fantarina tsy hahavoambaka antsika.

TT : Vehivavy be diplaoma indrindra amin’ny resaka solika ianao sady manana traikefa koa. Fifanarahana sahala amin’ny ahoana izany no tokony hatao amin’ireo orinasa mpitrandraka solitany ?
Dr Emma :
Fizarana ny vokatra no fifanarahana mihatra eto, araka ny “code pétrolier”, nefa betsaka ireo “paramètres” ao anatiny toy ny fitsinjarana ny vokatra, ny hetra isan-karazany, ny vokatsoa azon’ireo vondrombahoaka sy ny tokony hahamaro an’isa 80% ny isan’ny Malagasy miasa amin’ireny orinasa mpitrandraka ireny …

TT : Firy isan-jaton’ny vokatra solitany izany no tokony ho antsika raha tsorina ?
Dr Emma:
Zavatra iray ao anatin’ny “paramètres” azo ampiasaina izay efa mahatratra 30 ny resaka isan-jato. Miankina amin’ny tahiry isaky ny karazana akora io satria samihafa ny ‘huile lourde’, ny etona, ny solika ... Miankina amin’ny toerana misy azy koa io : ambanin’ny tany sa ambanin’ny ranomasina ? Ankoatra izay dia tokony hamatsiana antsika eto ny vokatra voalohany ary amboarina araka izay ny vidiny. Betsaka ny zavatra azo jerena amin’io resaka io.

TT : Ireo orinasa vahiny izany no tena mandidy manapaka eto izao na ara-ekonomika na ara-politika ?
Dr Emma:
Raha ireo orinasa madinika aloha dia azoko ambara fa tsy miditra amin’izay loatra satria ny hampitombo ny tombontsoany ny azy no manahirana azy fa tsy miditra amin’izay resaka nambaranao izay. Tsy mitovy amin’izay kosa anefa ireo orinasa goavana izay miaro ny tombontsoan’ny fanjakana niaviany.

TT : Misy firenena tena tafavoaka amin’ny solika fa misy ny miteraka ady saritaka, inona ny lakilen’ny fahombiazana ?
Dr Emma :
Efa fantatra fa mahatratra 20 miliara baril ny tahirin-tsolika ao amin’ny “bassin de Morondava”. “Bloc” iray monja anie dia ahazoana amina vola miliara ao anatin’ny enim-bolana hanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy e ! Manana “bloc” maro dia maro anefa isika. Ny fifehezana ny fitrandrahana solitany no nahatafavoaka an’i Norvezy, Malezia sy Venezoela satria norasin’izy ireo an-tanana tanteraka ity sehatra ity. Nanangana orinasam-panjakana mihitsy ry zareo. Ny Norvezianina dia nanangana “compte d’état” izay kitapombola androtsahan’ny orinasa maniry hitrandraka solika solitany vola an-tapitrisany isaky ny «bloc». Ny zanabola avy amin’io kaonty io fotsiny dia efa nahavitan-dry zareo fotodrafitrasa ho an’ny firenena sy nampisondrotana ny fari-piainan’ny mponina. Mahatratra arivo miliara dolara izao ny vola ao anatin’ilay kaonty nefa na ny zanabola avy amin’io aza tsy laniny. Nahoana moa isika no mangataka any amin’ny Banky Iraisam-pirenena nefa ato ambanin’ny tanintsika no tena misy ny Banky Iraisam-pirenena ? Tsy resahana intsony ny solika sy etona ao ambanin’ireo nositsika ao amin’ny lakandranon’i Mozambika

TT : Ny teny amarananao ny resadresaka ary ?
Dr Emma :
Mampanantena ny Malagasy sy ireo mpiaradia ao amin’ny Ezaka Marina Mampandroso Antsika (EMMA) ary ireo mpanohana ny tenanay fa mitohy hatrany ny asa ary miroso hatrany amin’ny fampandrosoana isika na inon-kidona na inon-kihatra.

 Yves

Dans la mĂŞme rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap