Nisaotra ny vahoaka nifidy azy nahazo laharana voalohany tamin’ny fihodinana voalohany teo ny kandida Dr Robinson Jean Louis no nampanantena asa fampandrosoana maro hatao ao Ambatofinandrahana. Anisan’izany ny hametrahana lisea teknika vaovao, fananganana fotodrafitrasa ara-pahasalamana hisahana ny vonjy taitra sy efitrano fanaovana fitilina miaraka amin’ny fiara mpitondra marary. Faritra mena amin’ny asan-dahalo ny Distrikan’Ambatofinandrahana ka hovatsiana fitaovana toy ny môtô sy fiara tsy mataho-dalana ary helikoptera ireo mpitandro ny filaminana. Tsy hijaly rano fisotro madio intsony ny vahoaka ao, hoy ihany i Robinson Dr Jean Louis ary hirehitra maharitra amin’izay ny jiro ao an-toerana. Ho maimaimpoana avokoa ny fampianarana any amin’ny ambaratonga voalohany, hozaraina “kit scolaire” misy kiraro miaraka amin’ny “cantine scolaire”. Hentitra ity kandida ity nilaza fa tsy azo ekena ny fakan’ireo mpiasam-panjakana sasany vola tsy an-drariny amin’ny vahoaka. Niantso ny vahoaka hiaro ny vato narotsaka ihany koa ny tenany amin’ny 20 desambra manomboka amin’ny ora fivohan’ny birao fandatsaham-bato hatramin’ny fanisam-bato. Naseho vahoaka tamin’io ihany koa ireo kandida depiote miaraka amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny Avana, izay nohamafisin’i Dada tamin’ny antso an-tariby avy any Afrika Atsimo. Vahoaka an’aliny avy amin’ireo Kaominina 9 mandrafitra ny Distrikan’Ambatofinandrahana no nihaino ny fampielezan-kevitry ny kandida dokotera Robinson Jean Louis sy Neny ary Manandafy Rakotonirina tao Ampanaovapoara tamin’io sabotsy io.
Rado