depiote lany tamin'ny anaran'ny Vondrona Firaisankina Afakandro Christian. Noraran'ny Fanjakana Rajoelina anefa izany fa hoe tsy azo hatao ny manao hetsika politika amin'izao fandraisana ny Fivoriamben'ny SADC izao. « Solombavambahoaka lany tamin'ny fomba demokratika ny depiote Afakandro Christian, nanara-dalàna daholo ny zavatra nataonay rehetra, ary raha ny tena marina aza tokony ho nampandre ny manam-pahefana fotsiny izahay satria lanonana ara-politika, ary zavatra fatao izany. Ho fitandroana ny filaminana dia nandefa taratasy tamin’ny antanan-tohatra ara-panjakana tao Mahajanga ny Vovonana Firaisankina. Namaly ireo mpitondra Fanjakana saingy tsy nahafa-po ny Firaisankina ny valiny. « Niteny ry zareo fa tsy azo atao io fihetsiketsehana na lanonana ataonareo amin’ny sabotsy io satria noho ny fivorian’ny SADC, lalao ara-panatanjahantena izay ataon’ny Minisitera maro maro (ASIEF) atao any Mahajanga. Manao antso amin’ny vahoaka Malagasy fa rahampitso izahay avy ao amin’ny fanoherana dia hivory ary tsy maintsy hanapa-kevitra. « Amin’ny maha depiote, sy amin’ny maha olom-pirenena ahy, dia diso toerana i Andry Rajoelina manakana an’io lanonana ofisialy izay ataonay io », hoy hatrany i Siteny Randrianasoloniaiko. Izy no hitantanana ny SADC, kanefa tsy manaja ny demokrasia. Izany Andry Rajoelina izany nanongam-panjakana, tia korontana. Lazaina fa miady ho an'ny fanafahana Amiko ireny ra latsaka nataona'ireo niady ho an'ny fahafahan'ny Firenena dia matimaty fahatany raha mbola io Andry Rajoelina io no mitantana ity Firenena ity. Any amin'ny 700km miala eto Antananarivo fa tsy hoe eto kanefa izany no zavatra mitranga. Tsy ny fanoherana ihany no iharan'ny antsojay fa hatramin'ny mpanao gazety. Tao ny nosamborina, maro tsy navela hitrandraka vaovao. Maro ny mpiasam-panjakana te haneho ny alahelony sakanany. Ny olom-pirenena maneho ny alahelony noho ny delestazy,... "Vokatry ny tsy fahombiazan'ny Fitondrana Rajoelina dia lasa manao jadona, saingy misy farany ny zava-drehetra, tsy maintsy ho tonga saina ny vahoaka Malagasy", hoy hatrany i Siteny Randrianasoloniaiko. Mifamadika ny zava-misy satria ny ahilika amin'ny mpanohitra ny tsy fahombiazana. Apetraky ny lalampanorenana fa ny mpanohitra natao hitsikera ny tsy mety kanefa lasa mifaamadika, ka raha hiresaka demokrasia dia tsy misy, tsy manana kolontsaina an'izany i Andry Rajoelina izay hitantana ny SADC, tsy manana kolontsaina demokratika,... Lasa henatra ho an'ny Malagasy ! Ry zareo manao tsy misy olana, izahay manao tonga dia hoe hisy hipoaka, zavatra any amin'ny 700km mbola sahiny sakanana, olona lanim-bahoaka, voafidim-bahoaka nefa dia atao an'izao. I Andry Rajoelina tsy demokraty izany, hita fa mpanongam-panjakana, ary fantatra ny tsy fahombiazany ka na zavatra tsy misy dikany dia mampatahotra azy, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko nanamafy. Nilaza hivory ny Firaisankina ary hanao hanao fanambarana anio fa tsy hanaiky izao didy jadon'ny Fanjakana izao.
Toky R