airtel

Politique

01-sept-2023

Famoriam-bahoaka ankalamanjana

“Amin’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra vao halalaka”

Sample post image

Nilaza omaly ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin, fa malalaka ny fanehoan-kevitra na ho an’ny mpanao politika na ny antoka,

01-sept-2023

ka nilazany fa afaka manao hetsika avokoa. Amin’ny fisokafan’ny fampielezan-kevitra amin’ny 10 oktobra kosa anefa vao halalaka ny fanaovana hetsika ankalamanjana. Nambarany fa mbola mila tandrovina ny filaminam-bahoaka, ka mbola mipetraka ny fepetra tsy fahafahana mamory vahoaka ara-politika ankalamanjana, araka ny naoty efa navoakan’io Minisitera io. “Manaja fepetra aloha mandra-pahatongan’ny fampielezan-kevitra. Rehefa tonga ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra izay manomboka amin’ny 10 oktobra dia malalaka ohatran’ireny fampielezan-kevitra rehetra ireny ireo antoko politika sy mpanao politika. Mbola “pré-campagne” izao ka tsy maintsy mbola jerena tsara ny resaka filaminam-bahoaka. Amin’izao mba hitandrovantsika ny filaminana, dia tsy maintsy mbola raisintsika izay fepetra izay”, hoy ity Minisitra ity. Efa nanomboka ny 04 aprily moa no nandraisana io naoty io, saingy tsy mihatra amin’ny mpitondra Fanjakana, na dia misy hatrany aza ny fanambarana politika ataon’ny fitondrana ankehitriny. Ny hafa fehezina fa ny mpitondra efa tena miharihary ny endrika propagandy mialohan’ny fotoana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Feno ireo tondro maneho sy manamafy ny fisavoritahana ao anaty Fanjakana, ankoatra ny tondro ara-tsosialy,

Card image cap
30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap