Sekolim-pirenena momba ny Fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara eny Androhibe ny atrikasa GPS (Gouvernance Paix et Stabilité), fiofanana ho matihanina amin’ny fitantanana ny fifidianana. Navoitra fa tafiditra ao anatin’ny ezaka hanamafisana ny fitondrana tsara tantana amin’ny sehatry ny fifidianana, izay mifamatotra akaiky amin’ny fandriampahalemana, ny fitoniana ary ny fandrosoana maharitra. Ity fiofanana ity dia vokatry ny fiaraha-mientan’ny Masoivohon’i Frantsa, ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI), ny Vaomiera Nasionaly Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI), ary ny ENAM. Manamarika ny fanombohan’ny programa lavitr’ezaka hatramin’ny taona 2026 izy io, izay mikendry ny hanamafisana ny maha-matihanina, ny mangarahara ary ny fahatokisana amin’ny fitantanana ny dingana rehetra amin’ny fifidianana eto Madagasikara, raha ny fanazavana. Ankoatra izany, tanjona lehibe amin’ny fiofanana ny fanomezana sehatra fifanakalozana traikefa ho an’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana, sy fanamafisana ny fahatakarana iombonana momba ireo foto-kevitra sy fitsipika fototra amin’ny fitondrana ara-pifidianana. Hizara ho efatra ny « modules » amin’ny fiofanana, fa ity GPS ity aloha no hanombohana azy. Natokana ho an’ireo olona manan-danja amin’ny sehatra ara-pifidianana: solontenan’ny antoko politika, mpikambana amin’ny fiarahamonim-pirenena, tompon’andraikitra ara-panjakana, mpanao gazety, ary mpisehatra fototra amin’ny demokrasia eto Madagasikara. Iantohan’ireo manam-pahaizana manokana mahakasika ny zotram-pifidianana sy ny tetikasa GPS eo amin’ny REOI (Réseau Electoral de l’Océan Indien) ny fiofanana. Nanokatra ofisialy ity atrikasa ity moa ny Sekretera jeneralin’ny COI Edgard Razafindravahy, ny Ambasadaoron’i Frantsa eto Madagasikara Arnaud Guillois, ny Filohan’ny CENI Dama Arsène, ary ny Tale jeneralin’ny ENAM Agnona Agnès. Tajon’ny hetsika ny fanehoana ny finiavana tohanan’ireo mpiara-miombon’antoka hanamafy ny demokrasia eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fitantanana fifidianana mangarahara kokoa, matihanina kokoa, ary mandray anjara bebe kokoa ny sokajin’olona rehetra, mba hisian’ny fitoniana sy fahamarinan-toerana ara-politika.
Toky R