airtel

Politique

27-oct-2025

Fananganana governemanta

Anatin’ny fifampidinihana mafana….

Sample post image

Raha nandrasana omaly alahady ny

27-oct-2025

fitsanganan’ny governemanta araka ny tetiandro nomen’ny Fiadidian’ny fanavaoazana ny Repoblika tarihin’ny Kolonely Randrianirina Michael, dia tsy mbola tanteraka. Mbola anatin’ny fakan-keritra tanteraka na « en plein concertation », ka mbola tsy ho androany, hoy ny loharanom-baovao marim-pototra avy any an-dapa omaly takariva. Andrasana izany izay ho fivoakany ! Sarotsarotra ny toerana misy ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael : eo aza ny finiavany hitondra rivo-baovao sy ny fanantenan'ny vahoaka aminy, fa eo ihany koa ny pitsopitsony politika sy jeopolitika izay mety ho endrika tsindry. Tsy afaka handrefesana azy ny tapa-bolana, ary tsy mora ny mitondra Firenena, fa manantena azy ireo kosa ny Malagasy mba tena hitondra fanovana. Amin'ny lafiny iray, niezaka naneho fa tao anatin'ny zotra araka ny lalàmpanorenana ny fandraisana fahefana. Hanao ahoana ny fandrafetana ny governemanta ? Miezaka manamafy ny fahamarinan-toerana na "légitimité" ny Fanjakana. Miezaka manamboatra ny fifandraisana amin'ny sehatra iraisam-pirenena ka mitandro ny sori-dalana tsy mivoaka amin'ny lalàmpanorenana. Sao hihitsoka eo anefa? Na ny fanendrena ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo aza heverina fa stratejika be amin'ny lafiny iray, izay antony lehibe ny fahaiza-manaony, ny traikefany, ny fifandraisany amin'ny Iraisam-pirenena,... Mangotraka ihany koa anefa ny tsikera hoe: mamofona Ravatomanga, Rajoelina, karana,... Ara-stratejika, mbola ny vahiny aloha no mifehy ny toekarena eto: solika, angovo, banky, PPN, eny hatramin'ny karaman'ny mpiasam-panjakana aza iankinana amin'ny mpamatsy vola ka mila olona mahay miresaka amin'ireo, izay mety teboka miabo mikasika ny Lehiben'ny governemanta. Safidy ihany koa ny hoe: izany fangejana stratejika ataon'ny vahiny izany ilay mila ovàna. Tsy vitan'ny kopisoroka anefa fa izay ilay ilàna fahaiza-mandalanja sy fametrahana safidy hoe: ahoana ny paikady hahafahana miala tsikelikely amin'izay fangejana sy fifehezana izay ? Ahoana no hametrahana fiaraha-miasa tsy misy tombo sy hala na "win win" amin'ireo mpiara-miombon'antoka ? Sao voageja ao anatin'ilay hoe mitady fahamarinan-toerana sy fankatoavana ny Filoha sy ny ekipany ka tsy tena manan-tsafidy sy tsy afaka mizotra any amin'ny fanovana heveriny hapetraka? Henjakenjana fa irariana sy hinoana fa hahita làlan-kivoahana ny Fanjakana.
Toky R

 

 

 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

Madagasikara avela manapa-kevitra!»

Card image cap
10-févr-2026

Rajoelina tany Eswatini ireny!»

Card image cap
10-févr-2026

ireny no tsy maintsy hamadika!»

Card image cap
09-févr-2026

miangavy ny Filoha handray andraikitra,… »

Card image cap
09-févr-2026

fanadihadiana ataon’i Maurice »

Card image cap
09-févr-2026

Malagasy mafy ny fihetsik'i Eswatini

Card image cap