airtel

Politique

29-juil-2026

Fanavaozana

manontolo ny lisi-pifidianana

Sample post image

Natomboka teny Talatan’i Volonondry,

29-juil-2026

azo atao amin’ny internet
Nosantarina teny Talata Volonondry omaly 28 jolay 2026 ny fisoratana anarana ao anaty lisitry ny mpifidy ho an'ny Faritra Analamanga. Tafiditra anatin’ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy. Hetsika nasionaly haharitra efa-bolana izay hifarana ny 25 novambra izao. Aorian’izay, haverina eny amin'ny fokontany indray izany hanomboka ny 10 janoary mba ahafahan'ny olompirenena tsirairay manamarina ny anarany sy ny mombamomba azy. "Handrafitra lisitra vaovao ho an'ny fifidianana sy fitsapankevibahoaka ho avy hanomboka amin'ny taona 2027 isika, ka tsy ampiasaina intsony ny lisitra teo aloha izay nahabe resaka, nahitana doublons ary nitarika korontana", hoy ny Filohan'ny CENI RAKOTONARIVO Thierry. Nafonja kosa ny hafatry ny Lehiben’ny Faritra Analamanga RAHARINIRINA Clémence naneho fa antoky ny ho avin’ny Madagasikara izao. « Ny fisoratanao anarana anio dia ahafahanao mifidy rahampitso ary ny safidinao no hiankinan'ny ho avin'ny Madagasikara. Raha tsy izay dia mamela ny hafa hanapa-kevitra amin'ny toerany, ary ny tena ratsy amin’ireny dia hanenina avy eo", hoy Rtoa Clémence Raharinirina. Samy nanentana ny rehetra tsy ankanavaka mba hisoratra anarana ao anatin'ny lisitry ny mpifidy vaovao ireo nandray fitenenana rehetra nahitana ny Ben'ny tananan'ny Kaominina ambanivohitra Talata Volonondry, RAKOTONIRINA Tojo sy ny Préfet an'Antananarivo, ANDRIASY Vonjy. Fomba dimy ahafahana misoratra anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy vaovao, dia ny fanatonana eny anivon'ny fokontany, amin'ny alalan'ireo vaomiera fanisana mpifidy miaraka amin'ny Sefo fokontany sy ny ekipany mitety trano, anhabaka amin'ny alalan'ny aterineto sy finday amin’ny alalan’ny tranonkala https://liste.ceni-madagascar.mg/, fankanesana eny amin'ireo toerana ahitana olona maro izay asiana vaomiera handray olona ary mandritra ny fakana karapanondrompirenena voalohany rehefa feno 18 taona. Afaka misoratra anarana avokoa ny teratany Malagasy, feno 18 taona, manana karapanondrom-pirenena, tsy mbola nisazy na very zo ary mipetraka eo amin'ny fokontany. Namaranana ny hetsika ny fiatrehana mivantana an'ireo endrika ahafahana misoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy. Nanafana ihany koa ny lanonana ny hiragasin'ny Tarika Rafarahasimanga Georgine Ambohimandroso sy ny vakodrazana niangalian'ny Tarina Ravakiniala avy any Ambohimandroso Gara.
Toky R

 

Dans la même rubrique

31-juil-2026

Faritra 11 nisafidy Fanjakana tokana,

Card image cap
30-juil-2026

sahady no voatendry

Card image cap
30-juil-2026

ho filoha lefitra i Hasina Raveloson

Card image cap
30-juil-2026

amin'ny vehivavy ny CNFM

Card image cap
30-juil-2026

ambadika ny fanakorontanana

Card image cap